Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Cocktail de bienvenue !

23/07/2013

Niainga ho any Tanzania omaly ny filohan’ny HAT, hidinika amin’ireo filoham-pirenena afrikana mahakasika ny krizy. Tsy miady amin’ny piesiny hono mantsy ireto GIC ireto, nambarany mihitsy aza fa tsy mira lenta amin’ny voninahiny ka izany indrindra no anton’izao diany any Tanzania izao amin’izay mba samy filoha no miresaka. Saingy izao, ianao no manaiky ary tsy afaka mandà fa filoham-pirenena ireo hitafa aminao, ry zareo kosa ve aloha mandray sy manaiky anao ho filoha ? Ndrao tsy miady amin’ny piesin’izy ireo koa ny mitafa amina mpanongam-panjakana satria mety tsy hanaiky mora foana izao fanambaniana amin’ny fomba mihaja nataonao tamin’ny GIC izao koa ny Troïka.

Tsy miady amin’ny piesin’ny vahoaka ihany koa izao fitanilàna ataon’ny EMMO izao. Nahoana no tsy nisy ‘krimôzena nipoaka na iray aza nandritra ilay hetsika notarihan-dry Nirhy-Lanto teny Ankorondrano, nametaveta ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena ; kinga sy mailaka ery raha vao ny hafa no mitarika olona hidina an-dalambe, kanefa samy mibahan-dalana sy manelingelina fifamoivoizana izao ihany ! Sahala amin’ireny inona ireny nefa ny fiampangan’ireo jeneraly sasan-tsasany ny mpanao gazety ho mampihorohoro ny vady aman-janakareo rehefa mba mampahatsiahy ny tantara velona teto amin’ny firenena.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fety an-dalambe. Cocktail de bienvenue fotsiny ihany ireny notarihan’i Laza Razafiarison ireny. Mbola ho avy ny entrée mialohan’ny plat de résistance, araka ireo fanambarana maro avy amin’ireo vondrona olona sy antoko ary fikambanana tsy mankasitraka intsony izao fitondrana izao. Amin’ny sabotsy ho avy izao àry no voalaza fa hanolorana ny entrée voalohany miaraka amin’ny MMFF, izay fivondronan’ireo hery velona manohana ny fehin-kevitry ny FFKM ary efa nanambara sahady ny hoe : « avelao hitifitra eo hiaraha-mahita e ! »

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...