Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Dadarabe !

05/08/2013

Famolavolana manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, ny ekonomia, ny fitantanan-draharaha avo lenta no ahafantaran’ny maro ireo oniversite any ivelany. Fanofanana mpianatra ho lasa mpitokona sy mersenera politika kosa no mampalaza ny oniversite eto Madagasikara. Hafa noho izany rehetra izany kosa ny an’ny SADC. Sady tsy manam-pahaizana no tsy mersenera politika no volavolain’ity SADC ity fa dadarabe mpaminany avo lenta, dia ingahy Chissano.

Efa azon’ity dadarabe ity tsindrimandry avokoa ny zavatra hiseho eto amin’ny firenena. Ohatra amin’izany ny fialan’ny kandidà iray an-daharana rehefa tafapetraka ireo mambra vaovao ao amin’ny CES. Efa fantany ihany koa ny datim-pifidianana filoham-pirenena. Efa nambaran’ny sikidiny taminy fa tsy hovoasazy io kandidà hiala an-daharana io ary tsy hovoageja ny fananany. Efa ananany amin’ny maha dadarabe avo lenta azy ny anaran’ny olona tsy maintsy ho lany filoham-pirenena. Efa hitan’ny bilony ihany koa fa hiampy ny isan’ireo kandidà tsy hahazo handray anjara amin’ny fifidianana, isan’izany ilay laborety tsy misy kodiarana nalaza farany teo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 may.
Mazava ho azy fa aleon’ny sasany manatona dadarabe malaza toa an-dry Chissano, mahita ny ho avy sy izay rehetra fonosiny toa izay hanatona ny FFKM izay tsy nahavita nampihaona ireo filoha efadahy. Aleon’ny olona koa ohatra manatona mpitsara avy hatrany toa izay handany vola amin’ny mpisolovava araka ny fitenin’ny mpiketrika manao hoe: “aleo manatona an’Andriamanitra avy hatrany tsy misy mpanelanelana”. Izany hoe, aleon’ny olona mifanaraka mivantana amin’ny manam-pahefana handray fanapahan-kevitra na koa mpaminany azo hifanamboarana hitsinjovana ny ho avy toa izay ho lany andro hivavaka sy hihaino torintenin’ny FFKM. Tsy vitan’izany, ho avy maizina mihitsy aza no ahian’ny sasany haterak’io tari-dalan’ny FFKM io ka naleony nanao fati-drà tamin’ny dadarabe Chissano.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...