Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mba menatra e !

07/08/2013

Lany henatra tsy manana izany antsoina hoe « sens de l’honneur » izany intsony ve ity EMMO sy Zandarimaria ity e ? Tsy mba menatra ve ireny zandary mirongo kalachnikov miambina tranombarotra mpanan-karena ireny, eo anatrehan’izao asan-jiolahy manjo ny vahoaka izao? Aiza ve ka zandary efa ho dimy sa enina no indray miambina tranombarotra iray etsy Antanimena kanefa ny tantsaha any ambanivohitra ataon-dRemenabila sy ny forongony miteny irery mihitsy. Omeo ilay « formule » mba ahazoan’ny tsirairay zandary milanja basy eo anilany amin’izay halehany rehetra. Mba samy te hilamin-tsaina avokoa ange ry CIRGN ny olom-pirenena e!

Tena marina mihitsy ny voalazan’ny CT Nicolas sy ny Lehiben’ny Faritry Diana tao amin’ny RNM. Mailaka sahala amin’ireny boka hanam-bady ireny mihitsy ny EMMO raha vao hoe Ambohijatoooovo no resaka na hiambina mpanan-karena sy karana. Efa tapitra ringan’ny dahalo kosa ny vahoaka vao mibitabitaka sahala amin’ny zanaka akoho mahita rehoka ny mpitandro filaminana. Mba menatra e! Hay ve izany hiambina ireny mpanam-bola ireny sy hitoraka ‘krimôzena vahoaka no hanakaraman’ny mpandoa hetra ny EMMO e!
Fandatsana vahoaka mihitsy ny fahitana ireny mpitandro filaminana mirongo basy miambina tranombarotra ireny. Asa aloha raha tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe “favoritisme”, heloka henjehan’ny lalàna mikasika ny kolikoly izy ireny na ahoana. Ny zavatra fantatra mantsy dia misy resa-bola ankoatra ny karama isam-bolana ao ambadik’ireny fiarovana manokana ireny. Ka natao hiaro ny aina sy ny fananan’iza marina ianareo ireto ramose fa toa mandrebireby lava eto a? Aiza izao ilay “sabotsy mainty” sa kosa blablabla sahala amin’ny mahazatra? Mba menatra e!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...