Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

“Tsy maintsy ampiharina avokoa ny voalazan’ny tondrozotra”

15/10/2012

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny iraky ny SADC tarihan’i Leonardo Simao izay efa tsy zoviana amin’ny maro intsony nohon’ny maha mpanelanelan’ny famahana ny krizy eto amintsika azy. Nambaran’ity minisitry ny Raharahambahiny teo aloha tany Mozambika ity fa tsy maintsy ampiharina avokoa izay rehetra voalaza tao amin’ny tondrozotra raha tiana ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy azo itokisana eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy atao ny fampihavanam-pirenena raha toa ka tiana ny hanekan’ny rehetra ny vokam-pifidianana. Ary mbola isan’ny

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny iraky ny SADC tarihan’i Leonardo Simao izay efa tsy zoviana amin’ny maro intsony nohon’ny maha mpanelanelan’ny famahana ny krizy eto amintsika azy. Nambaran’ity minisitry ny Raharahambahiny teo aloha tany Mozambika ity fa tsy maintsy ampiharina avokoa izay rehetra voalaza tao amin’ny tondrozotra raha tiana ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy azo itokisana eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy atao ny fampihavanam-pirenena raha toa ka tiana ny hanekan’ny rehetra ny vokam-pifidianana. Ary mbola isan’ny nasongadin’ity iraky ny SADC ity ihany koa ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny fitoniana eto Madagasikara mba ahafahana miroso amin’ny fanatenterahana ny fifidianana.
Marihina fa ankoatry ny delegasiona tarihan’i Dr Leonardo Simao izay nalefan’ny SADC eto Madagasikara dia tonga eto amintsika ihany koa ny delegasiona avy amin’ny Troika n’ny SADC sy ny iraka avy amin’ny Komision’ny ranomasimbe Indiana tarihan’ny sekretera jeneraliny, Jean Claude de L’Estrac. Ity farany moa dia nilaza fa hisy vola mitentina 100 tapitrisa Euros izay ho azon’i Madagasikara ato ho ato ahafahana manampy ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ary ara-pampandrosoana ny firenena.
Fiverenen’ireo sesitany
Mazava loatra fa tsy kisendrasendra izao fahatongavan’ireto delegasiona samihafa ireto eto Madagasikara, indrindra amin’izao ankatoky ny fahataperan’ilay fepotoana 30 andro nomen’ny SADC hametrahana ny fepetra rehetra azoana mamerinan an-tanindrazana ireo sesitany, indrindra ny filoha teo aloha Ravalomanana. Tsiahivina moa fa isan’ny voalaza tamin’izany ny fihavian’ireo iraky ny SADC izay handrefy ny dingana vita mikasika izay fametrahana ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara izay. Tsy fantatra moa na nisy na tsia izay iraky ny SADC izay. Na izany na tsy izany dia heverin’ny maro fa tsy maintsy ho voaresaka mandritra izao fahatongavan’i Simao sy ireo mpiara-dia aminy eto amintsika izao ny momba izay fiverenan’ny sesitany izay, izay efa nambarany an-kolaka teny am-pahatongavana rahateo fa antoka amin’ny fahamarinan’ny fifidianana.
Tsiahivina fa tsy vitsy ireo izay tsy miandrandra zava-baovao amin’izao fahatongavan’i Simao eto amintsika izao. Efa matetika loatra toka manko ity teratany Mozambikanina ity no nanao izany asa fanelanelanana izany teto Madagasikara saingy tsy nahitam-bokatra mivaingana izany fa vao maika aza nampitatra ny tetezamita amin’izao endriny izao. Tsaroan’ny maro ihany koa ny tondrozotra voalohany izany nosoniavina tao amin’ny CCI Ivato izay tsy nitondra fankatoavana ny firenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. I Simao anefa no angady nananana sy vy nahitana izany fifanarahana izany.
Marihina fa hihaona amin’ireo rehetra voakasiky ny famahana izao krizy izao ny iraky ny SADC mandritra ny andro maromaro izay maha eto an-toerana azy. Mazava loatra fa toy ny mahazatra dia may hisy ihany koa ny fihaonana amin’ireo masoivoho vahiny sy solon-tenam-panjakana na vondrona iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...