Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Navotsotra andro alina i Remana

16/10/2012

Tafakatra 27 ny isan’ireo olona voasambotry ny Foloalindahy, ahitana ny CSF, FIS, RAl, RTS ary ny RFI, manodidina ny raharaha fampandriantany any Atsimo.

19 sisa no isan’ireo voatazaona ary efa nalefa nody avokoa ny ambiny, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Isan’ireo vosambotra omaly i Remana, voalaza fa mahalala ity resaka asa-dahalo ity ary efa teny an-dalam-pandosirana, 15 km miala an’i Betroka no nahatratrarana azy. Fantatra koa anefa fa anvotsotra omaly alina ihany ity rangahy ity noho ny antony tsy fantatra. Misedra olana ireo miaramila sy zandary any an-toerana amin’izao fotoana izao satria tambin-karama fito andro ihany no eo am-pelatanan’izy ireo. Niaraha-nandre etsy an-danin’izany fa hotohizana iray volana ny hetsika. Izao sahady anefa dia miseho ny olana eo amin’ny lafiny ara-pitaovana sy ara-bola mikasika ity hetsika any Atsimo ity. Feno efa-bolana mahery izao ny raharaha Remenabila; tafakatra an-jatony ny aina nafoy manodidina ny asan-dahalo tany amin’iny Faritra Anosy sy Androy iny. Hatramin’izao anefa tsy mbola voasambotra ihany ity lehiben’ny dahalo ity na dia efa amina miliara aza ny vola natokan’ny Fanjakana tamin’izany. Mbola mipetraka koa ve ilay valisoa 500.000.000 fmg ho an’izay mahafaty na mahasambotra an-dRemenabila.?

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...