Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy hiditra eto Madagasikara

16/10/2012

Hatreto dia tsy atahorana loatra ny mety ho vokatry ny fandalovan’ilay cyclone Anaïs izay niforona any amin’ny ilany avaratra antsinanan’ny Nosy tamin’iny faran’ny herinandro iny. Araka ny loharanom-baovao avy ao anivon’ny sampan famantarana ny toetrandro eto amintsika dia mety tsy hikasika loatra an’i Madagasikara ity rivodoza ity rah any zotrany no jerena. Mianatsimo andrefana manko izany hatramin’ny omaly tolakandro. Tsy dia maherivaika loatra ihany koa izy hatramin’izao satria tsy misy afa-tsy 15km isan’ora ny fifindrany. Rah any zotran’ity rivodoza ity ihany koa

no jerena dia heverin’ireo mpandinika ny toetrando fa mety tsy ho ela dia ho lefy izany satria efa misy ny toetr’andro mety hifanoitra aminy.Ny fanazavana avy amin’ity loharanom-baovao ity ihany koa no nahafantarana fa tsy mahagaga akory ny fisian’ity rivo-doza ity satria efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’izany isika amin’izao fotoana izao. Manomboka ny voalohan’ny volana oktobra ka hatramin’ny 31 jolay no vanimpotoan’ny rivodoza eto amintsika, hoy ny fanazavana. Raha oharina amin’ny isan-taona anefa dia azo lazaina fa lasa aloha ihany ny tamin’ity indray mitoraka ity. Marihina fa rivo-doza 3 na 4 amin’ireo 9 hisy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina no hahakasika an’i Madagasikara amin’ity taona ity rah any vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...