Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hanara-maso fa tsy hanapakevitra

16/10/2012

Tsy mbola hanova ny zava-misy eto Madagasikara ato anatin’ny andro vitsivitsy ny maha eto an-toerana ireo iraky ny SADC ahitana ny delegasiona tarihan’i Leonardo Simao sy ireo delegasiona miaramila ahitana manamboninahitra avy amin’ity vondrona ity. Hijery ny fivoaran’ny fampiharana ny tondrozotra izy ireo, araka ny voalazan’ny Minisitry ny Raharahambahiny, Rajaonarivelo Pierrot. Ho voaresaka manokana mandritra ny fihaonan’izy ireo amin’ireo ankolafin-kery rehetra voakasiky ny krizy eto amintsika ny fandinihina ny fahafahan-dRavalomanana miverina an-tanindrazana sy ny fahafahany milatsaka ho fidina filoham-pirenena.

Mbola tsy tara, hoy ny nambaran’ny lehiben’ny Diplomasia Malagasy, Rajaonarivelo Pierrot,ny fahatongavan’ireo iraka avy amin’ny SADC izay haijery ny fivoaran’ny fampiharana ny tondrozotra ho fivoahana amin’ny krizy eto amin’ny firenena. Araka ny nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Governemanta ity ihany dia mbola manana iray volana isika, alohan’ny hanaovan’ireo iraky ny SADC ireo ny tatitry ny diany teto Madagasikara sy handraisana fanampahan-kevitra manandrify izany. Tsy hitondra zava-baovao amin’ny famahana ny krizy iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao arak’izany ity iraka tanterahin’I Simao sy ireo mpiara-dia aminy eto Madagasikara ity raha tsy efa vitan’izy ireo ny tatitra momba izany eo anatrehan ‘ny SADC izay naniraka azy. Arak’izany dia azo heverina ihany koa fa tsy hisy ny fampihaonana ireo hery rehetra voakasiky ny famahana ny krizy na koa ny fanintsiana na fametrahana tondrozotra vaovao.
Etsy an-danin’izany, nasongadin’i Leonadro Simao izay mitarika ireto delegasiona tonga eto amintsika ireto fa isan’ny ho jeren’izy ireo manokana mandritra izao diany izao ny mikasika ny fampiharana ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra izay milaza ny famerenana an-tanindrazana ireo sesitany, ka isan’izany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nambarany ihany koa fa haka ny hevitry ny ankolafy rehetra mikasika ny fahafahan’ity farany milatsaka ho fidina filohan’ny Repoblika ihany koa ny tenany.
Marihana fa an-koatry ny delegasiona tarihan’i Simao izay efa eto Madagasikara hatramin’ny Alahady teo, dia efa eto an-toerana hatry ny omaly ihany koa ny delegasiona manamboninahitra avy amin’ny SADC. Tsy iza ireto farany fa ny iraka miaramila avy amin’ity vondrona ity izay nampanantenaina fa ho tonga eto Madagasikara tao anatin’ny 60 manaraka ny fahavitan’ilay dinika tany Maputo, hijery ny fepetra ara-pilaminana mahakasika ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Araka ny fantatra dia miisa 18 ireo mandrafitra ity delegasiona miaramila avy amin’ny SADC ity ka jeneraly ny roa amin’izy ireo. Fantatra ihany koa fa hihaona amin’ireo tompon’andraikitra ambony mahakasika ny filaminana eto amintsika izy ireo amin’izao diany izao.
Tsara ny mampatsiahy fa miandrandra fatratra ny fahatongavan-dRavalomanana eto antanindrazana ato ho ato ireo ao amin’ny ankolafy tarihany, indrindra taorian’ny fanambaran’i Rakotoarivelo Mamy ny amin’ny tsy maintsy ahatongavany alohan’ny datin’ny 18 Oktobra. Mahakely finoana ny maro. ihany anefa ny ahatanterahan’izany raha tarafina amin’izao fahatongavan’ny iraky ny SADC izao izay mbola hanao tatitra any amin’ireo naniraka azy vao mety hisy fanampahan-kevitra. Etsy an-danin’izany, mazava ihany koa ny nambaran’ny lehiben’ny Diplomasia Malagasy fa tsy afa-miala amin’ny SADC isika raha te-hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa nifandimby noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy tao amin’ny birao fiasany teny Anosy, omaly, ny delegasiona avy amin’ny SADC, notarihan’i Simao sy ny delegasiona avy amin’ny Kômisona Ranomasimbe Indiana izay eto Madagasikara ihany koa hatramin’ny Alahady lasa teo.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...