Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Vazaha mody miady !

27/11/2012

Feno tapa-bolana izao no nitànana am-ponja ny tangalamena Zakariasy Patrick. Nafana fo ery ireo tangalamena, zanaka andriana sy ampanjaka tany am-boalohany ; niraradraraka ny valan-dresaka sy ny fanehoan-kevitra. Farany teo aza saika hanao valan-dresaka an-gazety teny amin’ny trano fisakafoan’ny Antenimieram-pirenena ireo tangalamena avy any amin’ny Faritra misy an’i Zakariasy ; kinanjo tsy tanteraka noho ny antony tsy fantatra izany. Tsy nisy tohiny intsony koa taty aoriana fa dia samy mialokaloka miaro ny rambony ny tsirairay.

Mialokaloka toraka izany koa ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana. Nanakombom-bava ihany koa ilay mpanao politika fanta-daza amin’ny ampamoaka tsy mety tanteraka efa hatramin’ny taona 1991 izay voalaza fa nanome ny tangalamena Zakariasy Patrick, ireny antontan-taratasy nanaovany valan-dresaka an-gazety teny amin’ny Colbert ireny. Raha tsorina ny resaka dia nataon’ireo mpanao politika sorona fotsiny ity tangalamena ity, tahaka ny fomba amam-panaon’izy ireo hatramin’izay. Tsy misy sahy mijoro fa mialokaloka daholo !
Iza no tsy mimenomenona amin’izao fahantrana sy tsy fandriampahalemana izao; iza no tsy vaky vava amin’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny jadona ataon’ny mpitondra Tetezamita? Mijanona ho fimenomenomana fotsiny ihany anefa izany satria mpanao politika mpialokaloka sy mpanao sorona ny mpiray tanindrazana aminy no mameno ny ao amin’ny Fanoherana. Toa marina ihany ny filazan’ny namana mpanao gazety iray nanao hoe “mpiara-misôsy daholo ihany ianareo rehetra ireo fa mody miady eo imason’ny vahoaka!”.
Inona tokoa moa no mbola hialokalofan’ny vondrona Ravalomanana sy Zafy Albert ao anatin’io fitondrana io raha ohatra ka tsapan’izy ireo fa tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny Tondrozotra? Ny fijanonan’izy ireo ao anatin’ny governemanta dia midika ho fankatoavan’izy ireo ny fomba fiasa ao anatiny ary izany indrindra no hilazan’ny mpitazana fa vazaha mody miady ireto mpanao politika ao amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra ireto.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...