Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Investico bis sa DNOR bis!

06/12/2012

Hay va re ka izany no antony maha romotra ny CNAPS tato ho ato izay e! Aiza ka ireo sekoly tsy miankina avy no terena sy hampihorohoroana tsotra izao hiditra ho mpikambana; ny sasany indray terena handoa vola an-tapitrisany. Hay ka nariana tany am-baravarankely ny 6 miliara noho ny fitiavan-tenan’ny tale jeneraly hahazo ambony ampanga 2%! Fa hoatrinona tokoa moa ny 2%-n’izany 46 miliara izany e? 900 tapitrisa mahery be izao kosa ny vola saika azon’ny tale jeneralin’ny CNAPS raha nilamina ny fifanarahana teo aminy sy ny banky BICM! Izao sady tsy azo ilay ambony ampanga no very ny 6 miliara ka ny sekoly tsy miankina no terena hameno ny banga.

Tahaka izany ny zava-misy ao amin’ny CNAPS; afaka tamin’ny raharaha Investico izay nahaverezana vola 40 miliara dia miditra amin’ny BICM, kanefa mitady izao fomba rehetra hanaovana ampihimamba ny tontolon’ny fisotroan-dronono eto Madagsaikara ireo mpitantana ao aminy, indrindra ny filohan’ny GEM, Noro Andriamamonjiarisoa. Koa tsy ho lasa DNOR bis (tetikasa fanarenana ny Rova Manjakamiadana) no hiafaran’ity CNAPS ity raha izao no mitohy?
Aleo ho fanta-bahoaka ny zava-misy ao amin’ity CNAPS ity e! Hanao tohy vakana ny raharaha maloto hivoaka an-gazety ato ho ato momba ity CNAPS ity. Toa tompon-trano mihono fotsiny ihany mantsy ireo mpandoa latsakemboka; kanefa loharano tsy mety ritra ho an’ny sasany. Ka ho lasa Investico bis sa DNOR bis indray ity raharaha CNAPS ity e?
Ohatra ny vitavita ho azy izany hatrany anefa ny raharaha mahakasika fanodinkodinam-bola amina miliara eto amintsika. Aiza ho aiza tokoa izao ireny raharaha DNOR nahaverezana vola be tokony nanarenana ny Rova Manjakamiadana ireny? Efa tafaverina ihany koa ve ny 40 miliara lasan’ny Investico tao amin’ny CNAPS? Sa kosa misy mpandoa latsakemboka tsy sasatra ao ka tsy olana izany fahaverezam-bola izany? 6 miliara fotsiny kosa e!
Nenjehana tahaka ny inona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana noho ny ampihimamba teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, ny fanamparam-pahefana kanefa dia izany fomba amam-panao izany ihany no haverin’ny GEM sy ny filohany Noro Andriamamonjiarisoa. Aleo mihitsy hazava avokoa ny raharaha DNOR sy ny Investico alohan’ny hidedadedahana hanao ampihimamba ity sehatry ny fisotroan-dronono ity e!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...