Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky ny fialan’ny Sekretera Mpanatanteraka

13/12/2012

Manatanteraka fitokonana faobe ihany koa, nanomboka omaly, ireo mpiasan’ny BNGRC manerana ny Nosy. Mitaky ny fanesorana amin’ny toerany ny Sekretera mpanatanteraka ao amin’ity rafitra momba ny fiatrehana ny loza voajanahary ity. Tondroin’izy ireo ho tsy mahafehy ny andraikitra nankinina taminy ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC ary anton’ny fialan’ny mpiara-miombon’antoka amin’izany rafitra izany ny tenany. Nilaza ny tsy hiverina amin’ny asany ireto mpiasan’ny BNGRC ireto raha tsy miala amin’ny toerany izany tompon’andraikitra izany.

Tsy mbola tafavoaka amin’ny fotoan-tsarotra lalovany mandrak’izao ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) sy ity rafitra misahana ny fiatrehana ny loza voajanahary ity. Taorian’ny fitoriana teny amin’ny Bianco sy ny fandefasan’ny Bianco an’izany fitoriana izany teny amin’ny fitsarana ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC dia miseho lany indray amin’izao fotoana izao ny fitakian’ny mpiasa ny fametraham-pialany na koa ny fanesorana azy. Antony maromaro no voalaza ao amin’ny fanambarana navoakan’ny mpiasan’ny BNGRC fa nahatonga azy ireo hangataka ny fanesorana amin’ny toerany an’ity tompon’andraikitra ity. Isan’izany ny filazana fa tsy mahay miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ity rafitra ity ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC ka nahatonga ny fitongonganan’izany fiaraha-miasa izany. Vokatr’izany, tsy mazoto mivory miaraka amin’ny BNGRC intsony ny solon-tanan’ny mpamatsy vola azy. Torak’izany ihany koa ny tsy nanomezan’ny SALAMA ny fanafody izay tokony homeny ny BNGRC. Mbola isan’ny hanomezan’izy ireo tsiny ny sekretera mpanatanteraka ihany koa ny fihenan-danjan’ny fiaraha-miasan’ny rafitra amin’ny ministera hafa sy ny tsy fahaizany miara-miasa amin’ireo lohandohany mpitantana ny BNGRC. Nambaran’ny fanambarana ihany koa fa tsy manaja ny zon’ny mpiasa ao aminy ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC. Santiony amin’ireo olana nasongadin’ny mpiasan’ny BNGRC tamin’ny alalan’ny fanambarana ny anton’ny fitokonana ataony ireo notanisaina ireo.
Nanakatom-baravarana nanomboka tamin’ny ary, arak’izany, ny mpiasa ao amin’ny BNGRC, ary nilaza ny tsy hiverina hiasa raha tsy esorina amin’ny toerany ity sekretera mpanatanteraka ity. Marihina fa ny filankevitry ny minisitra no manendry sy manala ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC izay mitovy laharana amin’ny sekretera jeneraly eny an’ivon’ny ministera.
Tsiahivina fa tamin’ny 13 novambra lasa teo no nandrasana ny didim-pitsarana mikasika ny fitoriana ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC izay nisy nitory teny amin’ny Bianco, ary ity farany no nandefa ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Miisa 14 izy ireo no voaroiroy tamin’izany fitoriana izany ka ireo mpahazo asa teo an’ivon’ny BNGRC ny sasany tamin’ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...