Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy mitsaha-mitotongana

13/12/2012

Tsy misy afa-tsy 2000 taonina eo ho eo sisa ny habetsahan’ny vokatra dipoavatra aondran’i Madagasikara eo amin’ny tsana iraisam-pirenena raha mahatratra 40 000 taonina ny tinady momba ity vokatra ity eo amin’izany tsena izany. Izany hoe tsy misy afa-tsy ny 10%n’ny tinady no azon’i Madagasikara hanomezana fahafaham-po raha ny tsenan’ny dipoavatra no resahana. Ny faratsian’ny kalitaon’ny vokatra izay tsy mitsaha-mitotongana sy ny tsy fisian’ny mpamokatra intsony no voalaza fa anton’izany fiharatsian’ny lalam-barotra dipoavatra izay.

Araka ny loharanom-baovao dia tsy misy afa-tsy ny faritra atsimo antsinanana sisa no ahitana an’ity vokatra ity eto amintsika raha isan’ireo voakilasy ho isan’ny vokatra fanondran’i Madagasikara any ivelany izany teo aloha. Atahorana fatratra arak’izany ny ahalany tamingana an’ity vokatra ity eto amintsika raha tsy misy ny fepetra manokana ahafahana mamerina an’izany amin’ny toerany teo aloha.
Ireo antony voatanisa ireo no voalaza fa nahatonga ny ministeran’ny Varotra hikarakara ny atrik’asam-pirenena momba ny lalam-barotra Dipoavatra izay nanomboka omaly teto Antananarivo. lAtrika’asa izay karakarain’ny ministeran’ny Varotra ary andraisan’ireo mpandraharaha sy mpamokatra avy any amin’ny faritra samihafa anjara. Nambaran’ny minisitry nhy Varotra Olaga Ramalason, nandritra ny fotoam-panokafana omaly fa « isan’ny sangany aneran-tany tamin’ny famikarana dipoavatra i Madagasikara kanefa tsy izany intsony ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao nohon’ny fanaovana anjorom-bala an’ity lalam-pihariana ity. Ilaina arak’izany ny handrafetana drafitra fanarenana ny famokarana dipoavatra eto amintsika ». Izany indrindra ihany koa no tanjon’ity atrik’asa natomboka omaly ity. Ankoatry ny ny drafitra’asa fanarenana dia isan’ny hatao vaindohan-draharaha ihany koa ny fitadiavana paik’ady ahitana famatsiam-bola ho fanatsarana an’ity lalam-piarihana momba ny dipoavatra ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...