Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky ny famerenana ny fitsarana an-dRavalomanana

14/12/2012

Nankasitrahan’ny Sehatra fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena na ny SEFAFI ny fanampahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Nambaran’izy ireo fa dingana lehibe eo amin’ny fialan’ny firenena amin’ny krizy izay mianjady aminy izany fanampahan-kevitry ny filoha teo aloha izany.

Tsy maintsy arahina fepetra avy amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao ihany koa anefa izany fanampahan-kevitra izany raha ny fahitan’ny mpikambana iray amin’ity sehatra ity. Tsy inona izany fa ny famerenana ny fitsarana an-dRavalomanana, satria iaraha-mahalala, hoy izy fa tsy ankatoavin’ireo izay mpomba ny filoha teo aloha izany fitsarana izany. Arak’izany dia fitsarana tsy mitanila no tokony hitsara ny filoha teo aloha. Fitsarana izay iaraha-manangana amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ary eo ambany fanaraha-mason’ity farany.
Etsy an-danin’izany dia naneho ny heviny mikasika ny fahafahana na tsy fahafahan’ny filohan’ny Tetezamita milatsaka ho fidina filoham-pirenena ihany koa ny SEFAFI. Nambaranizy ireo fa mazava ny fifanarahana iraisam-pirenena izay tsy mamela ny olona nandrombaka fahefana tamin’ny alalan’ny tsy fanajana ny lalam-panorenena. Tsy afaka milatsaka ho fidina arak’izany ny filohan’ny Tetezamita, ary mety hitarika tsy fankatoavana iraisam-pirenena vaovao raha sanatria ka miziriziry amin’izany ny tenany. Tsy mitombina arak’izany ny filazan’ireo mpomba an-dRajoelina izay milaza fa manan-safidy ny hilatsaka na tsia ny filohan’ny Tetezamita satria tsy hanaiky azy amin’izany ny fianankaviambe iraisam-pirenena.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan���ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...