Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Toherin’ny mponina ny fanamboaran-dàlana

17/12/2012

Nosakanan’ireo mponina mipetraka amin’ny faritra manodidina ny orinasa Filatex eny Ankadimbahoaka ny asa fanamboaran-dàlana kasain’ity orinasa ity hatao tamin’izany toerana izany. Nambaran’ny mponina fa tsy hanaiky ny hanatontosana an’ity asa ity izy ireo raha tsy misy fifanarahana mazava tsara momba ny fijerena ny fiarovana azy ireo indrindra manoloana ny tsy fisian’ny tatatra fanarian-drano eo amin’izany làlana izany.

Tsy nahasakana ny fanehoan-kevitra nataon’ireo fianankaviana miisa 60 mahery monina eny amin’ny manodidina ny toerana misy ny orinasa Filatex eny Ankadimbahoaka ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana izay nanao be fiavy teny an-toerana tamin’ny asabotsy teo. Nasehon’ireo vehoaka tamin’ny alalan’ny fisakanana ny fanatanterahana ny asa fanamboaran-dàlana kasain’ity orinasa ity hatao eny amin’izany faritra izany ny tsy fankatoavan’izy ireo an’io asa. Ny antony dia nohon’ny tsy fisian’ny tatatra famoahan-drano amin’ity làlana kasaina hatao ity, ary nohon’ny haavon’ny làlana izay mety hiteraka fahasahiranana ho an’ny mponina eny an-toerana. Nanao hetsika arak’izany ireo mponina teny amin’izany faritra izany ary nitaky ny hisian’ny fifanarahana mazava eo amin’izy ireo sy ity orin’asa ity mikasika an’izay fanamboaran-dàlana izay.
Manana ny heviny kosa ny orinasa Filatex, manoloana an’izao fihetsiky ny vahoaka izao. Nambarany fa tompon’ity tany ity tanteraka ny orinasa noho izany mananjo amin’izay tiany hanaovana an’izany tany izany. Na izany na tsy izany nambaran’izy ireo ihany koa fa efa nisy ny fifanarahana tamin’ny vahoaka. Fifanarahana izay natao tamin’ny volana jona tamin’ny taon-dasa. Efa nikasa ny hanonitra ny ampahan-tany ho an’ny vahoaka ihany koa ny orinasa Filatex, araka ny fanazavana saingy nosakanan’ny vahoaka ny mpandrefy tany izay tonga teny an-toerana. Ankoatr’izay nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Filatex ihany koa fa hatao atsy ho atsy ny tatatra fanarian-drano amin’ilay làlana izay kasain’izy ireo aorina.
Marihina fa nizotra tamim-pilaminana ny hetsika rehetra teny Ankadimbahaka tamin’io asabotsy io.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...