Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky ny mangarahara ny Praiminisitra Beriziky

22/12/2012

Tokony hitondra fanazavana amin’ny niavian’ny vola nahafahana nanangana an’ireo fotodrafitrasa izay notokanana tato ho ato ny fitondrana tetezamita, hoy ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta, omaly. Nokianiny ihany koa ny fanomezan’ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika vola hanaovan’ny Tetezamita fotodrafitrasa eto Antananarivo kanefa tsy manao n’inoninona manandrify ny vahoaka any amin’ny faritra iasany izany orin’asa izany. Nanao jery todika mikasika izay herintaona nitantanany ny governemantan’ny Fampiraisam-pirenena ny praiminisitra Omer Beriziky.

Raha atao bango tokana dia naneho ny fahafaham-pony tamin’ireo dingana vitan’ny Governemanta ny tenany. Isan’ny nasongadiny nandritra ny tafa niarahany tamin’ny mpanao Gazety teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo, omaly ny fisian’ny fanatsarana ny raharaham-panjakana. Nambarany ihany koa fa nihatsara ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany, ary porofon’izany ny fiverenan’ny masoivoho Britanika eto amintsika sy ny fangatahan’i Australie ny hametraka masoivoho eto Madagasikara.
Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy nanda ny maha mbola firenena ianjadian’ny krizy an’i Madagasikara ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta. Nambarany fa miandrandra fatratra ny hiafaran’izao krizy ireo ny vahoaka Malagasy sy ny fianankaviambe iraisam-pirenena ary ny mpiara-miombon’antoka amintsika. Tsy misy afa-tsy ny fifidianana eken’ny rehetra anefa, araka ny fanamarihana nataony, no ahafahan’i Madagasikara miala amin’ny krizy. Ho an’ny Praiminisitra Beriziky dia tsy ampy ny fampiharana ny “ni…ni” raha tiana ny hizoaran’ny fifiddianana araka ny tokony ho izy. Nambarany fa ny 5ni no tokony hatao. Izany hoe samy tsy mahazo mirotsaka ho fidina avokoa na ny Filohan’ny tetezamita rajoelina, n any Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, n any Filoha teo aloha Ratsiraka Didier, na ny Filoha teo aloha Zafy Albert. Tokony tsy hahazo milatsaka ho fidina ihany koa ny tenan’ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fanamarihana nataony. Nambarany rahateo moa fa tsy mihevitra ny hilatsaka amin’izany fifidianana izany ny tenany.
Ankoatry ny resaka fifidianana dia namely ny fanomtaniana napetraka taminy mikasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ihany koa ny Praiminisitra Omer Beriziky. Isan’izany ny mikasika ny fanokafana indray ny radio Fahazavana. Nambarany fa tsy misy intsony ny antony tokony tsy hamelana an’ity Radio ity tsy hisokatra. Nampanantena ny hampita izany amin’ny minisitry ny Searasera ny tenany. Nokianin’ny Praiminisitra kosa ny tsy faneken’ny CST Alain Ramaroson ny fiantsoan’ny mpitandro filaminana sy ny Fitsarana azy hanaovana fanadihadiana. Na izany aza anefa dia nambaran’ny Praiminisitra fa tafahoatra loatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana izay nanao be fiavy teny amin’ny tokatranon’ity parlemantera ity.
Isan’ny nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana ihany koa ny mikasika ny fampiharana ny Tondrozotra. Tokony hampiharina manontolo ny tondrozotra, hoy ny Praiminisitra, saingy sarotra ny fanatanterahana an’izany nohon’ny tsy fahatomombanan’izany fifanarahana izany. Tokony hikaroka marimaritra iraisana arak’izany ny mpanao politika Malagasy, indrindra ireo nanao Sonia ny tondrozotra. Ankoatr’izany dia nilaza ny heviny ihany koa ny Praiminisitra manoloana ny fanambaran’ny Filohan’ny Tetezamita izay nilaza fa homena karama ny mpilalaon’ny Maki manomboka izao. Nambarany fa gaga ny tenany tamin’iny fanambarana iny. “Fanambarana nataon’ny Filohan’ny tetezamita iny, hoy izy, ka anjarany ny mahita izay fomba hanatanterahana izany”. Mikasika ny fanamboarana ny firafitry ny Governemanta dia nambaran’ny Praiminisitra fa tsy anjarany ny manendry minisitra fa ny manolotra no azony atao. Na izany aza anefa dia heveriny fa tsy fotoana tokony hanovana minisitra intsony izao satria efa madiva hifarana ny asan’ity governemantan’ny fampiraisam-pirenena ity nohon’ny firosoana amin’ny fifidianana.
Mitaky ny tokony hanaovana ny mangarahara mikasika ny vola nananganana ireny foto-drafitrasa nataon’ny fitondrana tetezamita ary tokanana amin’izao fotoana izao ireny ihany koa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta. Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny filazana fa avy amin’ny orin’asa Wisco ny vola nanaovana ny fotodrafitrasa sasany. Mitaraina anefa, hoy izy, ireo mponina any amin’ny faritra misy ny orin’asa Wisco, indrindra ny any Soalala satria tsy mandray anjara na kely aza amin’ny sosialim-bahoaka any amin’izany faritra izany ity orin’asa ity. Tsy rariny arak’izany raha aty Antananarivo izy no manome vola hampiasaina amin’ny fotodrafitrasam-bahoaka kanefa tsy manao n’inon’inona any amin’ny faritra iasany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...