Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nopotehan’ny fokonolona ny «Commissariat de Police»

26/12/2012

Polisy roa no naratra mafy, ary saika potika avokoa ny trano sy ireo atontan-taratasy tao amin’ny Commissariat de Police tao Mananjary ny Alatsinainy lasa teo. Fitakiana hamalifaty nataona andiana fokonolona izay nitaky izany nohon’ny fahafatesan’ny havan’izy ireo no nahatonga ny fanapotehana ity biraom-panjakana ity. Maty taorian’ny ratra nahazo azy rehefa nifandona tamina tovolahy iray hafa kosa ny havan’ireto nanafika ireto. Miha-mahazo vahana ary tsy mitsaha-mipoitra etsy sy eroa ny tsy fankatoavana ny fahefam-panjakana. Iray amin’izany ny raharaha nitranga ny alatsinainy teo, tany amin’ny renivohitr’i Vatovavy ity.

Tsapa tamin’ny alalan’iny zava-nitranga iny tokoa fa mirongatra ny tsy fankatoavan’ny vahoaka ny lalàna velona sy ny fahefam-panjakana izay nisy hatrizay teto amin’ny firenentsika. Ilay teo-tsaina “maso hefai-maso” tokoa no nibaiko azy ireo ary niteraka izao fahavoazana ara-piaraha-monina sy ara-panjakana izao.
Niainga tamin’ny disadisa nisy teo amina tovolahy roa nandritra ny alim-pandihizana tany amin’izany tanana izany, ny alakamisy mialoha ity zava-nitranga ity, izao raharaha izao. Raikitra ny fifampikasian-tanana teo amin’ireto tovolahy roa ireto nandritra io fotoana io rehefa tsy voalamina tamin’ny alalan’ny fifamaliana ny disadisa teo amin’izy roa tonta. Vokatry ny fifandonana mafy dia tsy nahatsiaro tena nandritra ny andro vitsy ary niafara tamin’ny fahafatesany ny iray tamin’izy roalahy ireo. Teny amin’ny hôpitaly no namoy ny ainy ity farany. Tsy lefitry ny fianankaviany sy ny mpiara-monina tamin’ity maty ny zava nitranga ka lasa nanao diabe teny amin’ny Commissariat izy ireo nitaky ny hamalifaty an’ilay nahavanon-doza nahafaty ny havan’izy ireo. Mazava loatra fa tsy azon’ireo mpitandro filaminana atao na oviana na oviana ny manolotra azy ireo an’ity farany izay efa voatana tao amin’izany Commissariat izany. Izay indrindra no nahatonga ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ireto vahoaka ireto. Nanao tifi-danitra izay midika fandrahonana azy ireo rahateo ny polisy ka izay no nahatonga azy ireo hirongatra hatramin’ny fanapotehana ny tranon’ny Commissariat. Naratra mafy nandritra ny fifandonana ny polisy roa avy ao amin’ity Commissariat ity. Tsy vitsy ihany koa ny fahasimbana tamin’ny Commissariat, indrindra ireo atotan-taratasy maro tao.
Araka ny vaovao farany dia efa tonga any Mananjary ny mpitandro filaminana avy any Fianarantsoa izay nalefa hanampy ireo any an-toerana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana. Iaraha-mahalala ihany koa anefa fa amin’ny raharaha tahaka itony dia tafiditra hatrany ny fihaviana sy ny firazanana. Inoana arak’izany fa tsy maintsy hisy ihany koa ny fanelanelanana manandrify an’izany hiverenan’ny fiaraha-monina tsy misy raorao any amin’ity tanana ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...