Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

10 tapitrisa ariary lasan’ny jiolahy

28/12/2012

Tsy ny aty an-drenivohitra ihany fa tafapaka hatrany ambanivohitra rehetra any amin’izao fotoana izao ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fandrobana fananan’olona ataon’ny jiolahy. Nahitana izany tranga izany ihany koa tany amin’ny kaomina ambanivohitra Ankiririoka any amin’ny distrikan’Ambalavao. Tokatrano iray no notafihan’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana maherivaika ny alin’ny 24 desambra lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Marihina fa isan’ireo manan-katao ao amin’ity tanana ity ilay fianankaviana voatafika satria sady manana fivarotana enta-majinika no manana fiara mpanao fitaterana.

Ilay raim-pianankaviana no tao an-trano tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpanafika. Soa ihany fa afa-nandositra teny ivelan’ny trano tamin’ny alalan’ny fivoahana teo amin’ny varavaran-kely ny tenany. Vokatr’izany tsy nisy ny fifandonana teo aminy sy ny mpanafika. Nakorontan’ireto farany kosa ireo entana tao am-pivarotana rehafa zony izay notadiaviny. Nafangarony, ohatra ny sira sy ny siramamy, ny menaka sy ny petrole ary ny vary sy ny lafarinina. Na dia tsy lasan’ireo jiolahy ary arak’izany ireo entana ireo dia tsy vitsy ihany koa no tsy azo nampiasaina intsony vokatr’izay hasomparana izay.
Araka ny vaovao avy any an-toerana dia mbola tsy misy mangirana aloha hatreto ny amin’ny mety ahafantarana an’ireto jiolahy ireto. Efa nandray an-tanana ny fanadihadiana kosa ny mpitandro filaminana any an-toerana. Marihina fa nahatratra 20 lahy ireo jiolahy nanafika tamin’io fotoana io raha araka ny loharanom-baovao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...