Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mirongatra ny hala-botry sy ny vaky trano

29/12/2012

Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina ao Toamasina amin’izao fotoana izao nohon’ny firongatry ny hala-botry sy ny vaky trano. Na andro na alina dia saika handrenesana tranga mifandraika amin’izany hatrany eny an’ivon’ny fokontany isan’isany avy. Tsy mifidy izay angalarina ihany koa ireo mpangalatra, raha araka ny loharanom-baovao. Isan’ny lasibatra amin’izany ny akoho amam-borona, ny zava-maneno sy fanamafisam-peo, ny fahitalavitra sy solosaina, vy sy simenitra.

Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana dia efa lasa faritra mena avokoa amin’izao fotoana izao ny fokontany 138 ao an-tampon-tananan’i Toamasina raha izay resaka hala-botry sy vaky trano izay no resahina. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tanora manodidina ny 14 taona ka hatramin’ny 17 taona eo ho eo ary manao an-diany ireo mpamaky trano ireo. Matetika dia ahitana olona 5 hatramin’ny 10 izy ireo amin’ny andiany manao izany asa ratsy. Etsy an-danin’izany, misy ankizy madinika ihany koa manendaka na manao sinto-mahery an-tsena, na an-dalana, na amin’ny toerana vory olona mifety sy milanonana. Ireto farany ireto kosa dia misy ny mbola 9 taona ary ny lehibe indrindra dia manodidina ny 12 na 13 taona. Ny moron-dranomasina izay toeraba be mpitsangatsangatsana, ny tsena toy ny Bazary kely, Bazary kely, Ankirihiry, Ambolomadinika, no fanaovan’izy ireo izany.
Nanome toky ny mpotandro filaminana fa hanao ezaka manokana mandritra izao fetin’ny faran’ny taona sy ny taombaovao izao mba hiaro ny vahoaka manoloana izay firongatry ny hala-botry sy ny sinto-mahery izay. Niantso ny fanomezan-tanan’ny fokonolona kosa anefa izy ireo mba hanampy azy ireo amin’izany asa izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...