Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Olona roa voatifitry ny basin’ny zandary

29/12/2012

Raha mbola tsy nahitam-bahaolana hatramin’izao ny raharaha nahafatesan’ilay surveillant général tao antampon-tananan’i Mananjary dia fantatra ihany koa amin’izao fotoana izao fa nitrangana savorovoro izay naharatrana olona telo be izao, ka ny roa voatifitry ny basin’ny zandary tany Vohilava, mbola any amin’iny faritra iny ihany. Nandritra ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Perle Noire tao amin’ity tanana ity no nitrangan’ny savorovoro, araka ny loharanom-baovao.

Voadaroka mafy tao anatin’izany savorovoro izany ny lehilahy iray ka naratra mafy ny lohany, hoy ihany ny loharanom-baovao. Nisy araka izany ny valifaty nataon’ny namany ka nampitatra ny savorovoro.
Teo anatrehan’izany dia niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zandarmariam-pirenena any an-toerana. Nisy ny fanapoahana basy ka naratra vokatr’izany ny olona roa hafa. Araka ny loharanom-baovao dia efa tsaboina any amin’ny hôpitaly any Mananjary avokoa ireo olona ireo amin’izao fotoana izao. Efa namoaka resaka mikasika ny tsy faneken’izy ireo an’izao raharaha izao ihany koa ny fianankavian’ireo voatifitra. Nilaza izy ireo fa hametraka fitoriana eo anatrehan’ny fitsarana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...