Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Notsatohany antsy ny tendan’ilay sipany

03/01/2013

Ny marainan’ny talata 12 desambra no hitan’ny tompon-tranony fa maty tao an-tranony ny tovovavy iray vao 19 taona, nonina teny amin’ny fokontany Antsahamamy. Nahitana dian’antsy teo amin’ny tenda sy ny tratran’ilay razana ka izay no nilazana avy hatrany fa nisy namono ity tovovavy ity. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena no nahafantarana fa ny sipany ihany no namono azy noho ny fahafantaran’ity farany fa nampirafy azy taman’olon-kafa ilay tovovavy. Niaiky izany ilay tovolahy ary efa natolotra ny fitsarana.

Na dia efa nanova anarana sy nihafina ary nafenina tany an-tany lavitra aza i RAVELOMANANTSOA Tsimaloka Zo dia tratra ihany ary niaiky fa namono ny olo-tiany rehefa nahafantatra fa nampirafy azy ity farany. Tamin’ny talata 12 desambra no fantatra fa nahazo fampandrenesana avy amin’ny mponina teny Antsahamamy ny mpitandro filaminana avy amin’ny Polisy misahana ny heloka bevava na ny BC, sakelika voalohany. Io fampandrenesana io no nilaza fa misy vehivavy maty nisy namono tao an-tokatranony. Rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, ary nanao ny fitsirihana dia nahita fa tovovavy 19 taona, mpianatra eny amin’ny Ambaratonga ambony Ankatso ity maty nisy namono ity. Nahitana dian’antsy teo amin’ny tenda sy ny tratran’ilay razana.
Ny fanadihadiana natao tamin’ny manodidina no nahafantarana fa tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tamin’io andro io vao hitan’ny tompon-trano fa mbola nihidy ny trano nisy an’ilay tovovavy ka tamin’izay vao nampandre ny fokontany izy ireo. Ireto farany no namoha ny trano ka nahita ny fatin’ity tovovavy ity. RABARINARIVO Ralisoa Fanjaniaina no anarany. Araka ny fantatra dia mbola niaraka tamin’ny tovolahy sipany izy ny alin’ny talata 11 desambra 2012. Mazava loatra fa niantefa tany amin’ity tovolahy ity ny ahiahin’ny mpitandro filaminana izay nanao ny fanadihadiana. Fantatra fa avy any Antsirabe ny ray aman-drenin’ilay tovolahy ary nojerena ny tany fa tsy hita tany ny tenany. Nampanatsoin’ny Polisy ny fianakaviany mba hatao famotorana ny amin’izay nisy azy ka nilaza ho tsy nahafantatra. Rehefa notanan’ny Polisy ny anabaviny dia nivoaka ihany ny marina, nafenin’ny fianakaviany tany Anosimanjaka izy.
Niaiky ity tovolahy ity, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Polisy fa izy tokoa no namono nahafaty ilay tovovavy sipany nohon’ny hasarotam-piaro satria fantany fa nampirafy azy ilay tovovavy.Niara-natory ry zareo ny alin’ny 11 decembre 2012 ka rehefa hitany fa resi-tory ilay tovovavy dia notapenany ny vavany ary notsatohany antsy teo amin’ny tendany sy ny tratrany. Rehefa vitany izany dia nandeha nitsoaka tany Fianarantsoa izy. Kanjo tratry ny lozam-pifamoivoizana ka niditra hopitaly tao Fianarantsoa. Novany ny anarany tao amin’ny hopitaly ka nataony hoe RAVELO Zo raha RAVELOMANANTSOA Tsimaloka Zo no tena anarany; 25 taona izy. Ny dadafarany sy ny anabaviny no nanafina azy tany Fianarantsoa. Rehefa avy tany izy dia ny reniny no nanafina azy tany Anosimanjaka. Natolotra ny fitsarana omaly ity tovolahy ity sy ireo fianakaviany nanafina azy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...