Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Noroahin’ny tomponandraikitry ny Hôpitaly

09/01/2013

Marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny fikambanan’ny Vadin’ny Polisy any Mampikony sy ny tompon’nandrikitry ny fahasalamana any an-toerana. Nandritra ny alim-pandihizana nokarakarain’ity fikambanana ity no niantombohan’ny disadisa teo amin’ny an-daniny sy ny ankilany. Tamin’ny volana desambra lasa teo no nikarakara izany alim-pandihizana izany ireto vadina mpitandro filaminana ireto ka ny vola azo tamin’izany dia nividianana fanomezana, rakom-pandriana, ho an’ny hôpitaly tany an-toerana sy fanomezana hafa ho an’ny voafonja.

Tsy arak’izany anefa no nitranga fa tezitra tamin’ireo vadina polisy ny tompon’nandrikitry ny Hôpitaly satria tsy isan’ireo nahazo toerana teny amin’ny latabatra natokana ho an’ireo manam-pahefana ny tenany nohon’ny tsy fetezan’ny fandrindrana teo amin’ny fampidirana ireo voaasa. Marihina fa 20 000 ariary no saram-pidirana ho an’ny toerana voatoka ary 5 000 ariary koas ho an’ny toerana tsotra. Nalefan’ireo mpandahatra teny amin’ny toarana ho an’ny rehetra anefa ity tomponandrikitry ny Hôpitaly any Mampikony ity na dia isan’ireo nandoha saram-pidirana manandrify ny toerana voatokana aza. Tezitra noho izany fihetsika izany ity farany ka lasa ary tsy nety nanatrika ilay alim-pandihizan’ny fikambanan’ny vadina polisy.
Tsy vita hatreo anefa ny resaka satria niseho indray ny disadisa rehefa tonga ny fotoana nikasan’ny filohan’ny fikambanan’ny vadina polisy hifandinihana mikasika ny fotoana sy ny fomba hanolorana ny fanomezana kasaina hatao amin’ny Hôpitaly avy amin’ny vola azo tamin’ilay alim-pandihizana. Araka ny loharanom-baovao dia noroadroasin’ilay tompon’andraikitry ny hôpitaly ny filohan’ny Fikambanan’ny vadina polisy raha vantanyvao tonga saika ifampiresaka taminy mikasika izany. Tsy tanteraka arak’izany ny fanomezana ireo rakom-pandriana izay saika natao ho an’ny Hôpitaly. Tsy nisy azon’ny fikambanan’ny vadin’ny polisy natao afa-tsy ny nivarotra tao amin’izy samy izy an’ireo rakom-pandriana saika homena ny Hôpitaly. Tetsy an-danin’izany, tontosa an-tsakany sy an-davany kosa ny fanomezana natao ho an’ny voafonja tany an-toerana. Fanomezana izay nahitana vary fotsy sy bisky ary mofodipaina sy savony

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...