Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Manahy ny hisian’ny savorovoro politika

09/01/2013

Tapitra tamin’ity androany 9 janoary ity ny fe-potoana nomenan’ny ministeran’ny Atitany an’ireo antoko politika mba ahafahan’izy ireo manavao ny atontan-taratasy momba ny fisiany taorian’ny fanavaozana ny lalana mikasika ny antoko politika eto Madagasikara. Naneho ny heviny momba izay fametrahan’ny ministeran’ny Ati-tany fe-potoana ahafahan’ireo antoko politika manatontosa ny fanavaozana ny fisiany izay ny fikambanana CDE (Club Développement et Ethique). Nambaran’ity fikambanana ity fa mety hiteraka korontana eo amin’ny antoko politika maro eto Madagasikara ny firosoana amin’ity fanavaozana ny fisian’ireo antoko politika ity.

Araka ny fanamarihan’ity fikambanana ity dia vitsy hatramin’izao andro farany amin’ny fe-potoana nomen’ny CDE izao ireo antoko politika afaka nanao izany fanavaozana ny fisiany izany. Tsy nifararahana tamin’ny antoko politika rahateo ny amin’ny tsy maintsy hirosoan’izy ireo amin’ny fanavaozana ny atonta-taratasy momba ny fijoroany izay.
Eo anatrehan’izany dia nanambara ny CDE fa tokony ahato ny firosoana amin’ity fanavaozana ny fisian’ny antoko politika ity mba ialana amin’ny savorovoro mety haterak’izany. Tsara ny mampatsiahy fa miisa telonjato mahery ny antoko politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mbola folo mahery ihany anefa hatramin’izao, raha araka ny fanisana farany, no mahafeno ny fepetra vaovao maha antoko politika azy. Miankina amin’ny fahafenoan’ny fepetra anefa no ahafahan’izy ireo mandrotsaka olona ho fidina amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...