Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy nisakafo nandritra ny folo andro

11/01/2013

Nitokona tsy nety nisakafo i Riribe, nanomboka tamin’ny 30 desambra ka hatramin’ny 9 janoary lasa teo. Araka ny taratasy nalefany ho an’ny fianankaviany dia hetsika fanairana io nataony io mba hijeren’ny fitsarana haingana ny raharaha mikasika azy. Nambarany fa mitarozaka ny fikarakaran’ny fitsarana ny raharaha ary mbola tsy fantatra hatramin’izao ny fotoana hitsarana azy. Mbola isan’ny misarika ny sain’ny maro ao Toamasina ao ny raharaha mikasika an’i Rakotomalala Henri na Riry be izay notanana vonjimaika eny am-ponjan’Amnalatavoahangy taorian’ireo hetsika izay notarihany tany amin’ity tanana ity.

Araka ny loharanom-baovao dia nitokona tsy nety nisakafo nandritra ny 10 andro ny tenany, nanomboka ny 30 desambra ka hatramin’ny 9 janoary lasa teo. Ny taratasy izay nosoratany ho an’ny fianankaviany no nanamarika fa ny fitarazohan’ny antontan-taratasin’ady momba azy eny amin’ny fitsarana no nahatonga azy hanao izany hetsika izany. Nokianiny tamin’izany taratasy izany ny mbola tsy namaritan’ny fitsarana, hatramin’izao, ny fotoana hanaovana ny fitsarana azy. Ankoatr’izay dia nambarany tao anatin’izany taratasy nalefany ho an’ny fianankaviany izany ihany koa fa nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fahasalamany ny fanaovany an’ilay fitokonana tsy nisakafo nandritra ny folo andro. Nomarihany anefa fa efa niverina nisakafo soamatsara ny tenany hatramin’ny 9 janoary teo.
Tsar any mampatsiahy fa fakana vola tsy araka ny làlana tamin’ny tetikasa Ambatovy, fanimbazimbana ny olom-panjakana ary fitarihana olona tsy nazoan-dàlana teny an-dalàmbe no iampangana azy ka nahatonga ny fampidirana azy vonjimaika any am-ponja. Marihana ihany koa fa hatramin’ny nisamborana ary nampidirana am-ponja an’i Riry be dia nangina tsikelikely ilay hetsika fanoherana an’Ambatovy sy ny lehiben’ny Faritra Antsinanana. Amin’izao fotoana izao dia tsy nisy nihetsika intsony ireo mpiara-dia taminy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...