Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Vaky ny adim-poko

14/01/2013

Nitrangana savorovoro tao an-tampon-tananan’i Toliary ny sabotsy lasa teo tamin’ny tolakandro. Mpivarotra enta-madinika maromaro tao amin’ny bazary sy ny manodidina, tao amin’izany tanana izany no lasibatry ny fandrobana tao anatin’izany korontana izany. Nisy arak’izany ny simba fananana sy ny very entana vokatr’izany savorovoro izany. Marihina fa taorian’ny famoriam-bahoaka nataon’ny antoko MDM notarihan’ny filoha nasionaliny sady minisitry ny Raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo no nitrangan’izany savorovoro izany.

Voaroba ny ankamaroan’ireo mpivarotra, indrindra ireo mpivarotra amoron-dalana tao amin’ny faritry ny Bazaribe tao Toliary, tamin’ny asabotsy teo. Fotoana fohy taorian’ny famoriam-bahoaka nataon’ny antoko MDM izay notarihan’ny filohany sady minisitry ny Raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo no nanombohan’izany savorovoro izany. Namory vahoaka teo amin’ny “Jardin de la mer” tao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo andrefana tokoa ny Filoha nasionalin’ny antoko MDM tamin’io tolak’andro io. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao dia isan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ity mpanao politika ity nandritra izany famoriam-bahoaka izany ny fanentanana an’ireto farany mba handray anjara mavitrika amin’ny fisoratana ao amin’ny lisim-pifidianana. Isan’ny fanantanana nataony ihany koa, araka ny loharanom-baovao ihany, ny mba handraisan’ny vahoaka anjara mavitrika amin’ny fifidianana satria efa latsaka ao anaty fahantrana lalina loatra ny firenena noho ny fitarozahan’ny krizy. Ankoatr’izay rehetra izay dia isan’ny voaresaka betsaka tao ihany koa ny hoe “krizy manara-penitra” sy ny hoe “tsy misy vaha-olana afa-tsy ny firotsahan’I Pierrot Rajaonarivelo amin’ny fifidnanana ihany”. Tao anatin’izany rehetra izany no nipoiran’ny andian’olona izay nentanin-kafanam-po ka avy hatrany dia nirohotra nankeny amin’ny faritry ny Bazaribe nandroba ireo fivarotana izay nisy teny amin’ny faritra nolalovan’izy ireo. Maro arak’izany ireo mpivarotra, izay mpihavy avy aty afovoan-tany ny an-kamaroany, no niharan’izay fandrobana izay. Betsaka saingy mbola tsy voafaritra mazava tsara ireo fahasimbam-pananana vokatr’izany fandrobana izany. Marihana fa tsy nisy hatreto ny fitarainana mikasika ny fisian’ny olona naratra na namoy ny ainy tamin’izao savorovoro izao.
Tsara ny manamarika fa talohan’ny fandalovany tao an-tampon-tananan’I Toliara dia nandalo tao sakaraha ihany koa ny filohan’ny antoko MDM sy ireo mpiara-dia taminy. Nisy ihany koa ny famorian’olona indroa miantoana nataony tao amin’ity tanana ity ka ny voalohany dia ny fihaonana tamin’ireo lehiben’ny sampan-draharaha miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tany an-toerana. Tao amin’ny tanom-pokonolona no nanatanterahana izany. Ivon’ny resaka tamin’ity fihaonana ity ny fanentanana azy ireo handray anjara mavitryka amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Ankoatr’izay dia nihaona tamin’ny vahoaka ihany koa ny filohan’ny MDM ka tao amin’ny Relais Sakaraha no nanaovana izany fihaonana izany. Teto kosa dia resaka politika ranoray no nifanaovany tamin’ny vahoaka.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...