Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Sady marary saina no tsy nitondra vola nody

18/01/2013

Tafaverina an-tanindrazana tamin’ny 25 desambra lasa teo i Flôra, tovovavy iray isan’ireo nandeha niasa tany Liban hatramin’ny taona 2009. Velon-taraina anefa ny fianankaviany satria marary saina izy amin’izao fotoana izao ary mila volabe ny fitsaboana azy. Etsy an-danin’izany sady tsy nitondra vola nody i Flôra no tsy mandray anjara amin’ny fitsaboana azy ny orin’asa izay nadefa azy tany amin’io firenena io. Ity farany dia nilaza fa efa nanao fitarainana mikasika ity raharaha ity teny amin’ny ministeran’ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalana sosialy saingy mbola tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao.

Mbola misy ihany hatramin’izao ireo tranga mampiseho ny voka-dratsy azon’ireo mpiasa Malagasy izay nalefa niasa tany Liban. Isan’izany ny nanjo an’i Flora izay tovovavy 24 taona izay niasa tany Liban hatramin’ny taona 2009 ary tsy tafaverina an-tanindrazana raha tsy ny 25 desambra lasa teo. Marary saina ary marary vatana i Flôra amin’izao fotoana izao ary voatery nampidirina hôpitaly ao Befelatanana . Araka ny fitantaran’ny fianankaviany dia efa hatramin’ny nandaozany an’i Madagasikara no tsy nahazo vaovao momba azy izy ireo. Nandà hatrany ny hampifandray azy ireo tamin’i Flôra ny orin’asa nandefa azy tany Liban raha araka ny fanazavan’ny fianankaviana ihany. Ary amin’izao fahatongavany eto an-tanindrazana izao dia mitaraina hatrany ireo fianankaviana satria araka ny fahitan’izy ireo dia tsy misy andraikitra raisin’ilay orin’asa nandefa azy tany Liban mihintsy amin’ny fitsaboana azy. Etsy an-danin’izany dia tsy nitondra vola nody na kely aza i Flôra. Tsy vitan’izany fa na dia ny fitafiana nentiny avy any Liba aza dia tsy misy mifanandrify aminy fa lamban-dehilahy avokoa. Mitaraina torak’izany ihany koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny SPDTS (Syndicats des professionnels diplomés en travail social) izay mandray an-tanana ny fikarakarana an’i Flôra, nohon’ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitry ny orin’asa nandefa azy tany Liban manoloana ny fasahiranan’ny fianankaviany sy ny fahavoazana mahazo azy amin’izao fotoana izao.
Marihina fa avy any amin’ny distrikan’i Manandriana no fiavian’ny fianankavian’i Flôra. Sahirana mafy arak’izany izy ireo amin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana an’ity tovovavy ity.
Raha nanontaniana ny momba ity raharaha ity kosa ny tompon’andraikitra tao amin’ilay orin’asa nandefa an’i Flôra tany Liban dia nanambara fa efa nisy tokoa ny fitarainana nataon’izy ireo teny an’ivon’ny ministeran’ny Asa sy ny Asa Sosialy izay miandraikitra ny raharaha toy itony. Nambarany fa tsy mbola nahazo valin-teny izy ireo hatramin’izao. Nambaran’ity tomponandraikitra ity ihany koa fa tsy nanaja ny fifanarahana izay nifanaovana taminy fony izy vao niala teto Madagasikara I Flôra ka izay no tsy nahafahana niserasera taminy nandritra ny telo taona niasany tany Liban. Araka ny fanadihadiana nataon’ity orin’asa ity dia niova mpampiasa i Flôra rehefa tonga tany amin’io firenena io. Nambarany fa niaiky izany i Flôra rehefa nanontaniana. Izay tsy fahitana an’i Flôra izay ihany koa hoy ihany ity tompon’nandrikitra ity no antony tsy nahafahana nampody azy niaraka tamin’ireo mpiasa naverina an-tanindrazana avy any Liban.
Tsara ny mahafantatra fa araka ny fanazavana nataon’ny tomponandrikitra avy ao amin’ny SPDTS dia mbola mitohy hatrany amin’izao fotoana izao ny fandefasana olona avy eto Madagasikara hiasa any amin’ny firenen-kafa toa an’I Jordanie sy Arabia Saodita. Ahitana tsy fanarahan-dàlana sy fanararaotana ary indrindra tsy fanajana ny zon’olombelona anefa ny maro amin’izy ireny. Mbola maro dia maro ihany koa ny fitarainana voaray mikasika ny fanandevozana izay mihantra amin’ny ankamaroan’ireny mpiasa nalefa any ivelany ireny. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny isan’isany avy manoloana izany ny SPDTS ary manentana ireo izay mihevitra ny hiasa any amin’ireny firenena ireny mba handinika tsara alohan’ny hanapahan-kevitra.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...