Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nandalo tao Antsohihy

18/01/2013

Hitondra fiovana ao Antsohihy ny fandalovan’ny Foibe ara-kolontsaina amerikana mitety vohitra any an-toerana, hoy ny sekretera jeneralin’ny Faritra Sofia Ramanantsoa George Eugène

Mandalo ao Antsohihy ny Mobile Cultural Center (MCC) na Foibe ara-kolontsaina mitety vohitra an’ny Masoivoho Amerikana ary hijanona ao mandritra ny iray volana. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny asabotsy 12 janoary 2013 teo tao amin’ny trano vaovaon’ny Faritra, ao an-tanànan’Antsohihy izany hetsika izany. Nanatrika ny fotoana ny manam-pahefana ao an-toerana sy solontenan’ny mponina.
Raha nandray fitenenana ny sekretera jeneralin’ny Faritra Sofia Ramantsoa George Eugène dia nambarany fa “voalohany I Antsohihy amin’ny resaka fandorana tanety ary manantena aho, hoy izy, fa hitondra fiovana eo amin’ny mponina ny fandalovan’ny MCC.”
Ahitana izay rehetra mety hita ao anaty trano famakiam-boky iray ity MCC ity toy ny boky momba ny tontolo iainana, ny tanora sy ny fandraharaha, ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary fitaovana fianarana teny anglisy. Ny tena mampiavaka ny MCC dia ny fisian’ireo fitaovana mampiasa ny teknolojia vaovao toy boky elektronika atao hoe kindle azo amakiana karazam-boky aman-jatony maro, ny i-pad sy solosaina ary horonantsary isan-karazany mampiseho ny maha zava-dehibe ny fikajiana ny tonotolo iainana.
Maro ireo fiofanana momba ny teknolojia vaovao, atrikasa ary ezaka lavitra ezaka ho tanterahana miaraka amin’ny manam-pahaizana ao an-toerana sy ireo mpiara-miombona antoka manodidina ny fandalovan’ny MCC ao Antsohihy. Teraka nandritra izao fandalovan’ny MCC izao koa ny Club d’Anglais ahitana mpianatra avy amin’ny sekoly English Teaching Program Antsohihy sy sekoly hafa koa, kilalao sy fifaninanana isan-karazany amin’ny teny anglisy ho an’ny tanora, fandefasana horonantsary sy adihevitra momba ny tontolo iainana ary fampirantiana ataon’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Faritra Sofia sy Masoivoho Amerikana amin’izao hetsika ao Antsohihy izao. Ireto avy izy ireo: Durrell, ONN, TELMA, JSI projet MAHEFA USAID, DREF, DIREAU, DRCP Culture, DRPAS Population, DRE, Université IBA Antsohihy, CRNFP, 6 Lycées ou établissements, DREN, Association Sahy, ASOS, OSDR(M)-AKF, CRM, Scouts (FJKM, FLM, EKAR, JA), American English Teaching Program (AETP), ny mpampianatra teny anglisy sy ny onjam-peo tsy miankina RCA sy Radio Andreas, ary ny RNM sy TVM eo an-toerana. Hitanareo amin’ny antsipiriany eto ireo hetsika sy ny sary ary ny akon’izany mandritra ny iray volana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...