Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky fanajana ny teny nomena i Etazonia

25/01/2013

Nanoratra taratasy ho an’ny filohan’ny tetezamita ny Sekretera lefitra misahana ny Raharaha Afrikana any Etazonia, Johnnie Carson. Ankoatry ny fankatoavana ny fanampahan-kevitry ny filohan’ny Tetezamita sy ny filoha teo aloha tsy handray anjara amin’ny fifidiana filoham-pirenena dia isan’ny nasongadin’ity tomponandraikim-panjakana amerikana ity ny amin’ny tokony hanajana manontolo ny fifanarahana ao amin’ny Tondrozotra, indrindra ny fampodiana an-tanindrazana ireo sesitany politika izay nasiany tsindrim-peo manokana. Mitaky ny hanajana ny teny nomena ihany koa ny tenany.

Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny fanambarana nataon’ny Masoivoho Frantsay dia namoaka fanambarana mahakasika ny fahitany ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara ihany koa ny fitondram-panjakana Amerikana. Tamin’ny alalan’ny taratasy nalefa mivantana ho an’ny Filohan’ny Tetezamita izay nosoratan’ny Sekretera lefitra misahana an’i Afrika eo anivon’ny fitondram-panjakana amerikanina no nanaovana izany fanambarana izany.
Nasongadin’ity tomponandraikim-panjakana Amerikana ity fa ny tsy fifanandrinana eo amin’ny filohan’ny Tetezamita sy ny filoha teo aloha amin’ny fifidianana sy ny fisintahan’izy ireo mba hahafahan’ny filoha voafidy ara-pomba demokratika mandray ny fahefana, dia maneho ezaka manan-danja. “Noho ireo fanambaràna ireo dia manantena aho fa hizotra ara-dalàna ny fampielezan-kevitra ary handray anjara amin’ny fifidianana malalaka, marina ary azo antoka ny vahoaka Malagasy hifidy izay ho filoha mpitarika azy ho amin’ny fe-potoana manaraka”, hoy ihany ny fanambaran’ity Sekretera lefitra amerikanina misahana ny raharaha afrikanina ity. Nasiany tsindrim-peo manokana ihany koa ny famerenana an-tanindrazana ireo sesitany politika tsy an-kanavaka. Mino aho, hoy izy, fa hanaraka an-sakany sy an-davany ny tondrozotra novolavolain’ny vondrona SADC ireo antoko politika nanasonia izany, indrindra mikasika ny fiverenana tsy misy fepetra ho an’ireo mpanao politika mialokaloka any ivelany.
Nitodika manokana tamin’ny Filohan’ny tetezamita ihany koa ny hafatr’ity tomponandraikitra ity.
“Matoky aho fa hanaja ny teny nomenao ianao ary hanohitra ireo mety hisarika anao hirotsaka ho fidiana indray”, hoy ny fanamarihany
Ankoatry ny toe-draharaha eto Madagasikara dia voaresaka tao amin’ity taratasy ity ihany koa ny fifandraisana misy eo amin’ny Etazonia sy Madagasikara. “I Etazonia dia nanolotra hatrany ny haja ambony ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy. Nandritry ny taona maro dia anisan’ireo mpiara-miombon’antoka nahafa-po indrindra an’i Etazonia i Madagasikara ary nahazo tombony tamin’ny fandaharanasa goavana toy ny USAID, MCC, AGOA ary ny Peace Corps. Ny fiverenan’i Madagasikara eo anivon’ny fianakaviam-ben’ireo mpandala ny demokrasia dia hanokatra varavarana ho amin’ny fandrafetana fiaraha-miasa vaovao sy matotra. Ny fanajanao ny teny nomenao tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny famporisihanao ny firosoana amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara dia hamerina amin’ny laoniny ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny firenena roa tonta”, hoy ihany ity taratasy nalefa ho an’ny filohan’ny tetezamita ity.
Araka ny efa natsidika tery am-piandohana dia ny ampitson’ny fanehoan-kevitra nataon’ny masoivoho Fratsay eto Madagasikara no nanaovan’ny amerikanina an’ity fanambarana ity. Fanambarana izay mampiseho mibaribary fa tsy miombon-kevitra amin’ny Frantsay ny i Etazonia momba ny fampodiana an-tanindrazana an’ireo sesitany politika. I Etazonia izay manamafy fa tokony harahana antsakany sy andavany ny nifanarahana tao amin’ny tondrozotra. Izany hoe ny fiverenena tsy misy fepetra ho an’ireo mialokaloka any ivelany.

A.Ranivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...