Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nahitana trangana pesta

22/10/2012

Tandindomin-doza amin’izao fotoana izao ny mponina any amin’ny tananan’Ambalavao. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nahitana trangana haretina pesta tao amin’ny fokontany iray atao hoe Ankofika ao antampon-tanan’Ambalavao. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no namory mpanao gazety tany an-toerana ny tompon’nandraikitra tao amin’ny CSBII any Ambalavao, nilaza ny fisian’izay tranga izay. Ny fiakaran’ny voalavo eny an-tanana vokatry ny doro tanety misy any amin’zany faritra izany no voalaza fa mety ho nahatonga izany trangana pesta izany.

Amin’izao taonjato faha 21 izao ve dia mbola ahitana pesta ihany? Io no fanamarihana nataon’ny mpanara-baovao maro raha nandre ity tranga tany Ambalavao ity. Olona iray izay tonga nitsabo tena tao amin’ny CSBII tany Ambalavao no voalaza fa nararin’ny pesta. Tamin’ny faramparan’ny herinandro teo no nahitana izany, araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitry ny CSBII tany an-toerana izay namory ireo mpanao gazety tao antampon-tananan’Ambalavao nilza ity vaovao ity. Efa nahitana ireo fambara rehetra milaza ny fisian’ny pesta ilay marary, hoy ihany ny loharanom-baovao, saingy efa nahazo fotsaboana ara-dàlana amin’izao fotoana izao.
Mbola ny loharanom-baovao ihany no nanamarika fa ny firongatry ny voalavo any amin’izany tanana izany no nambaran’ny mpitsabo fa mety ho nahatonga ity haretina ity. Haretina izay ahiana ihany koa ny hiparitahany raha tsy voafehy ara-potoana. Nambaran’izy ireo fa mirongatra tokoa ny voalavo any amin’ity tanana ity nohon’ny fisian’ny doro tanety maro dia maro any amin’ny manodidina. Izany hoe milefa mihazo ny tanana avokoa ireo voalavo vokatr’izay doro ala izay. Voaresaka manokana tamin’izany ny kaomina Manamisoa izay lasibatry ny doro tanety amin’izao fotoana izao.
Hatreto dia mbola tsy mazava ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana any amin’izany distrika izany manoloana ity tranga ity, ankoatry ny fitsaboana ilay olona voalaza fa nahitana izany haretina pesta izany. Ny fanentanana amin’ny alalan’ny radio no efa misy amin’izao fotoana izao izay miantso ny olona hitandrina manoloana izany tranga izany, sy hanantona mpisabo raha vao misy tranga mampiahiahy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...