Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nisy nanafika ny kortezin'ny fiadidiana ny Praiminisitra

30/01/2013

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo mpiaro ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ireo olona tao anatin’ilay fiara nanakana ny fiara iray tamin’ireo fiara miisa efatra nampiasaina tamin’ny dian’ny Praiminisitra tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy.Tamin’ny marainan’ny alatsinainy teo no nitrangan’izany fanafihana izany. Fiara roa ireo nanakana ny fiaran’ny mpanolo-tsaina ao anivon’ny Primatiora izay isan’ireo isan’ireo nitandahatra niaraka tamin’ny fiara nanontrona ny Praiminisitra tany atsimo. Voasambotra ny mpamilin’ilay fiara mpanafika izay nivadika taorian’ny fifampitifirana. Mametram-panontaniana mikasika ny ao ambadik’izany fanafihana ny fiaran’ny Praiminisitra izany ny mpanara-baovao.

Asan-jiolahy sa raharaha politika. Izay no fanontaniana napetraky ny maro raha nandre fa nisy nanafika teny amin’ny lalam-pirenena faha 7 ny fiara avy nanontrona ny Praiminisitra nandritra ny fitsidiam-paritra nataony tany atsimo. Ny marainan’ny Alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 2 ora no nitrangan’izany fanafihana izany, rehefa nihazo ny lalana mampitohy an’i Sakaraha sy Ihosy ireo andiana fiara miisa efatra an’ny fiadidiana ny Praiminisitra. Marihina fa nandeha fiaramanidina ny Praiminisitra fa tsy tao anatin’ireo fiarakodia ireo. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa ilay fiara izay teny amin’ny laharana fahaefatra, izany hoe ny farany tamin’ireo naira-dàlana no niharan’ny fanafihana. Fiara miisa roa no voalaza fa nanafika azy, ka ny iray nandeha teo alohany ary ny faharoa taoriana. Noteren’ireo fiara roa ireto hijanona ilay fiaran’ny fiadidiana ny Praiminisitra. Niantso vonjy tamin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana teo amin’izy samy izy kosa anefa ilay fiara voatafika. Niverina avy hatrany ireo fiara telo lasa teny aloha ka teo no nanomboka ny fifampitifirana. Izany hoe nanana basy ihany koa ireo olona tao amin’ilay fiara nanafika izay tsy nahatohitra ireo mpiambina ny Praiminisitra satria vaky nandositra nony farany. Nivadika kosa ilay fiara 505 izay nentin’ireo mpanafika ka voasambotra ny iray tamin’izy ireo, izay tsy iza fa ny mpamily ilay fiara ka naterina tao amin’ny borigadin’ny zandarmariam-pirenena tao Ihosy, araka ny fanampim-baovao.
Hatreto dia tsy mbola nisy fanambarana ofisialy ny amin’izay mety ho ao ambadik’ity fanafihana ny fiaran’ny fiadidiana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ity. Tsy isalasalana anefa ny filazana fa mametram-panontaniana ny maro ny amin’izay mety ho tombontsoan’izay nikasa hanatanteraka izany fanafihana izany. Ankoatry ny mety maha asan-jiolahy tsotra izao an’ity tranga ity dia isan’ny ahina ho misy ambadika politika ihany koa izany. Satria iray amin’ny tranga mety ho nanosika azy ireo hanao izany ny fiheverana fa tao anatin’izany fiara izany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Koa raha izay no antony nanosika azy ireo, inona kosa no tombontsoa mety ho ao ambadik’izany raha sanatria ka tanteraka ny fikasan-dratsiny. Antenaina ary, fa hisy ny mangarahara mikasika an’ity raharaha ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...