Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Olona efatra maty nodoran’ny dahalo

23/10/2012

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tany amin’ny kaomina ambanivohitra Befeta ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa ny faha 18 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Fianankaviana iray tao amin’ity tanana ity no niharan’ny fanafihan’ireo dahalo miisa 15 tamin’io fotoana io. Nandritra ny fanafihana dia nesorin’ireo jiolahy ny tohatra mihazo ny rihana izay nihafenan’ireto fianankaviana ireto, ary rehefa vita ny asa-ratsiny dia nodoran’izy ireo ilay trano.

Tsy afa-nandositra arak’izany izy efa-mianaka tao anatin’ity trano ity afa-tsy ny zaza iray izay tafatsambikina avy eny ambaravarakely. Maty, may kilan’ny afo arak’izany izy efa-mianaka ireo, izany hoe izy mivady sy ny zanany roa. Marihana fa tonga namonjy azy ireo ihany ny fokonolona tao amin’ity tanana ity rehefa lasa ireo dahalo saingy tsy afa-nanao n’inon’inona nohon’ny tsy fisian’ny tohatra nafahana namonjy azy ireo.
Marihina fa vorontsiloza miisa 31 no lasan’ireto dahalo ireto tamin’izao fanafihana izao. Izany hoe efa tsy ireo omby any am-bala ihany amin’izao fotoana izao no lasibatry ny asan-dahalo eto amintsika fan a dia ny vorona fiompy ihany koa aza. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ity kaomina ity dia efa eo am-pela-tanan’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zandarmaria any an-toeranaity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Ireto farany no manao fanadihadiana sy fanenjehana ireo dahalo ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...