Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanao tatitra ny mpitandro filaminana

05/02/2013

Toy ny fanaony isan-kerinandro dia nanao tatitra mikasika ny zava-misy momba ny fitandroana ny filaminana eto amin’ny firenena ny fivorian’ny tompon’andraikitry ny fandriampahalemana telo tonta eto Madagasikara. Anisan’ny nibahan-toerana tamin’y fivoriana nataon’izy ireo omaly, araka ny tatitra, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana amin’izao fanomanana ny fifidianana izao. Nambaran’ny tatitra fa tsy zava-baovao izany fa andraikitra efa voafaritry ny lalàna hiantsorohan’izy ireo mialoha ; mandritra ary aoarian’ny fifidianana.

Isan’ny voaresaka ihany koa ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny Faritra Anosy-Androy. Nambaran’ny tatitra fa ny Emmo/Faritany Toliara izay tarihin’i Jeneraly IAMA Radafy, Komandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Toliara no mandray an-tanana ny fampandrian-tany any. Ampy sy antenaina fa hahavoafehy izany ny mpitandro filaminana nalefa any amin’izao fotoana izao izay nampiana « hélicoptère ». Raha misy anefa itadiavana « renfort » dia efa vonona ireo mpitandro filaminana avy aty Andrenivohitra.
Momba ireo zava-nitranga mahakasika ny tsy filaminana amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara, nahitanan halatr’omby miisa 10, ka omby 378 no very ary 35 no hita, izany hoe nihena 75% ny isan’ny omby very ary nihena 10% ihany koa ny omby tafaverina, 01 ny fokonolona naratra, 01 dahalo maty. Ny 03 tamin’ireo no halatr’omby niseho tany amin’ny faritr’Anosy (Distrika Amboasary Atsimo) ka omby 200 no very niampy fandoroana tanàna. Ny asan-jiolahy hafa kosa ivelan’ny faritany Antananarivo dia nisy 10 izay naharatrana fokonolona 05.
Ho an’ny teto andrenivohitra kosa, 08 ny halatr’omby, 164 ny omby very, 87 no tafaverina, 01 ny olona notazonina am-ponja, 24 ny tontalin’ny basy nampiasan’ny dahalo ary basi-borona no maro, 01 dahalo naratra, 01 maty, 01 fokonolona maty. Ny asan-jiolahy hafa dia nisy 09 ary tranga 03 hafa no tsy tanteraka nohon’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana.

Mbola mitohy ny “Police militaire” eto Andrenivohitra ka olona 16 no voasambotra tamin’iny herin’andro iny nanao fanamiana miaramila na fanamiana tsy ara-dalana ho an’ny miaramila am-perin’asa iray sy Polisy 01.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...