Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nitondra Kalchnikov sy PA ireo mpanafika

11/02/2013

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika indray tao an-tampon-tananan’i Toamasina ny zoma lasa teo. Tranom-barotra lehibe (quincaillerie) iray tao amin’ny fokontanin’i Tanamakoa any Toamasina no lasibatr’izany fanafihana izany ny tolakandron’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora, ka lasan’izy ireo ny vola mitentina 10 tapitrisa tao amin’ity tranombarotra ity. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny “kalachnikov” iray sy “Pistolet automatique” miisa telo ireo jilolahy efatra nanatanteraka ity fanafihana ity. Ny loharanom-baovao ihany koa no nilaza tao anatin’ny minitra vitsy monja dia vitan’ireto jiolahy ireto izany fanafihana izany. Marihina fa nitondra moto scooter izy ireo tamin’io fotoana nanaovany ny asa-ratsiny io.

Araka ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana any Toamasina dia ahina ho mpitandro filaminana no tompon’ireo fitaovam-piadiana nampiasan’ireto jiolahy ireto.

Ahiana ho ireo jiolahy tamin’ny taona lasa izay nandositra nandritra ny asa fitandroana ny filaminana manokana nataon’ny mpitandro ny filaminana ka nahatifirana jiolahy miisa 30 ireto mipoitra ireto indray. Ny ambina bala napoakan’izy ireo no voalaza fa nahafahan’ny mpitandro filaminana nilaza izany. Ny vaovao hafa kosa milaza fa misy mpitandro ny filaminana mamatsy fitaovam-piadiana ireto jiolahy ireto, izay voamarika hatrany koa izany tamin’ny ambina bala nampiasain’ireo jiolahy ireo. Milaza ny hanao fivoriana hametrahana filaminana sy hamongorana dieny izao ity asan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ity ny mpitandro ny filaminana mitambatra, amin’ity herinandro ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...