Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hira mampiady ireo kristianina

16/02/2013

Tsy nisy izay tsy nahalala ilay hira nalaza tsy fidiny nandritra ny tolom-bahoaka notarihan’ny filohan’ny tetezamita. Nalaza tsy fidiny satria tsy ho an’ny fitariham-bahoaka teny an-dàlambe no namoronan’ny tarika Saotra Dera azy. Tsy iza io hira io fa ilay nampitondrainy ny lohateny hoe: “iny làlana iny”. Amin’izao fotoana izao dia mbola malaza ihany ity hira ity. Saingy tsy noho izy tsara rindra sy mahafinaritra henoina sy hiraina, na koa mampiakatra ny aingam-panahy amin’ny fivavahana, fa noho izy lasa fototry ny fifadirana sy ny fisaraham-bazana. Tsy vitsy tokoa ireo krisitanina amin’ireo finoana samihafa eto amintsika no tsy manaiky intsony ny hanaovana ity hira ity any amin’ny fiangonana misy azy ireo na mandritra ireo fotoam-bavaka samihafa.

Torak’izany ihany koa eny amin’ireny fotoam-pivoriana samihafa toy ny fiandrasam-paty na ny fihaonam-pianankaviana. Matetika dia lasa mifaditra ny samy kristianina n any samy mpianakavy satria misy hatrany ny ampahany tsy manaiky ny hanaovana ity hira ity. Ny antony dia noho izy efa lasa manana dika hafa mifanohitra amin’izay nanaovan’ny mpamorona azy. Msy dikany politika hoy ny sasany. Misy dikany ara-piaraha-monina hoy ny hafa. Mirakitra fitaka bevava natao tamin’ny vahoaka Malagasy, hoy kosa ny ampahany hafa.
Ireo antony ireo amin’ny ankapobeny no mahatonga ny maro tsy hanaiky ity hira ity intsony. Marihina fa na dia ireo haino aman-jery aza dia efa mandray andraikitra tsy handefa ity hira ity intsony ny ankamaroany satria mahatsapa fa mahatonga fisaraham-bazana izy ankehitriny ary mampilefa ny mpihaino maro.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...