Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tratra nangaro-paosy

16/02/2013

Nanatanteraka hetsika manokana teny amin’ny faritra Analakely ny polisy avy ao amin’ny Boriborintany I, afakomaly tamin’ny 4 ora ka hatramin’ny 7 ora hariva. Nandritra izany hetsika izany no nahasamboran’izy ireo mpanendaka miisa enin-dahy. Araka ny tatitra nataon’ireto mpitandro filaminana ireto dia tena raindahiny amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery izy enin-dahy ireo. Mody manao 4’Mi izy ireo nefa manendaka ka eny amin’ny Esplanade Analakely sy eny amin’ny Glacier no tena fanaovan-dry zalahy ny asa ratsiny, ary efa indroa na intelo izy ireo no nigadra. Manodidina ny 12 taona ny zandriny indrindra ary 20 taona ny zokiny indrindra.

Taorian’ny fivoriana nataon’ny sefom-pokontany sy ny polisim-pirenena teny Anosy ka nitarainan’ny sefom-pokontany noho ny firongatry ny sinto mahery sy harom-paosy no nanaovan’ny polisy hetsika manokana teny Analakely. Tafiditra amin’ny hetsika manokana ataon’ny polisy ho famongorana ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’ny faritr’Analakely sy ny manodidina ihany koa ity hetsika ity izay nisian’ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.

Marihina fa mbola hitohy ny “Opération Pick pocket” ataon’ny polisy eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka mba ho sahy hanondro ireo olon-dratsy mba hanamorana ny fisamborana azy ireny.

Hatolotra ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana izy ireo mpangaro-paosy tsy ampy taona voasambotra ireo araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Ireo ampy taona kosa efa natolotra ny fampanoavana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...