Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

6000 ariary ny solika iray litatra

25/10/2012

Distrika telo no tsy ahitana solika any amin’iny faritra DIANA iny hatramin’ny alatsinainy ka hatramin’izao fotoana izao. Manjaka vokatr’izany ny varo-maizina. Mahatratra hatramin’ny 6000 ariary ny vidin’ny solika iray litatra, n’inon’inona ny karazany any amin’ireo distrika ireo, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mitaraina vokatr’izany ireo mpampiasa fiara-kodia, indrindra ireo mpitatitra nohon’ny fatiantoka aterak’izany.

Tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny famatsiana solika any amin’ireo distrika sasantsasany any amin’iny faritra SAVA iny, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Fantatra arak’izany fampitam-baovao izany fa tsy nisy lasantsy sy gazoil intsony tany amin’ny distrikan’Ambanja sy Ambilobe ary ny any Nosy be hatramin’ny alatsinainy lasa teo ka hatramin’izao. Voalaza ihany koa fa tsy sambany akory no misy izany fatapahan’ny famatsian-tsolika izany tany amin’ireo distrika ireo satria efa ambolany maro no efa nitrangan’izany. Ny zoma lasa teo no voalaza fa nisy famatsiana solika farany tany amin’ireo tanana ireo. Tsy ampy amin’ny filana any an-toerana anefa izany ka tamin’ny alatsinainy teo dia efa tsy nisy solika intsony tany amin’ireo distrika ireo. Vokatr’izany anefa dia manjaka ny varotra solika any amin’ireo toerana tsy nahazo alalana hanao izany,n any varo-maizina araka ny filaza azy. Ny varo-maizina izay sahy mivarotra avo roa heny amin’ny vidin’ny solika eny amin’ny toerana natokana ho an’izany. Mahatratra 6000 ariary, araka ny loharanom-baovao, ny vidy ivarotan’ireo mpanao varo-maizina ny iray litatra amin’ny lasantsy na Gazoil.
Mitaraina vokatr’izany ny ankamaroan’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fitaterana any amin’iny faritra DIANA iny. Tsy vitsy tokoa amin’izao fotoana izao ireo fiara mpitatitra no mihitsoka any amin’ireo distrika ireo nohon’ny tsy fananana solika afahana miverina aty an-drenivohitra.
Antony maro no ambaran’ny loharanom-baovaofa mahatonga izao fijaliana amin’ny solika any amin’ireo distrika ireo izao. Isan’izany ny tsy farisihan’ireo mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity any an-toerana amin’ny fanatontosana izany asa izany nohon’ny fatiantoka mahazo azy ireo. Tsy mifanandrify amin’ny vola lany amin’ny fanafarana ny solika mankany amin’izany faritra izany, araka ny fanazavana, ny vola azon’izy ireo avy amin’ny fivarotana solika ataon’izy ireo. Izany hoe maty antoka izy ireo amin’ny fandraharahana izay ataony.
Tsar any mampatsiahy fa araka ny nambaran’ny tompon’andrikitra iray avy ao amin’ny OMH dia ampy hiatrehan’i Madagasikara manontolo ny filany ny solika misy eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Tokony tsy hisy arak’izany ny fatapahan’ny famatsiana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...