Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mpitondra ambony no voatonontonona

19/02/2013

Andramena miisa 223 indray no tratehaky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny DST, omaly tany amin’ny Cap-est Ambodiafana, kaomina ambanivohitr’Ampahibe, distrikan’Antalaha. Fiara tsy mataho-dàlana miisa 30 kosa no nitaterana ireo andramena ireo ho eny amoron-dranomasina. Olona miisa 5 no voasambotra ary efa eo am-pela-tanan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana kosa no nanamarika fa tsy misy afa-tsy ireo mpitondra ambony na olona manana mpiaro ao anatin’ny fitondrana tetezamita no afaka hanao trafika avo lenta toy izao.

Voaporofo indray izao fa tsy voafehin’ny fitondram-panjakana tetezamita mihintsy ny fiarovana ny harem-pirenena. Satria na teo aza ny fanakianana avy amin’ny sehatra maro isan-karazany manodidina ny fandripahana tsy ara-dàlana ny harena voajanahary eto amintsika dia mitazam-potsiny ary tsy mahefa n’inon’inona amin’izany ny mpitondra tetezamita. Tamin’ny tranga izay tra-tehaka omaly dia tsy vitsy mihintsy ny nilaza fa olona ambony ao amin’ny tetezamita ihany no ati-doha nikotrika izany. Fantatra, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarmariam-pirenena fa andramena miisa 223 indray no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tany Cap-Est Ambodiafana, kaomina ambanivohitra Ampahibe, distrikan’Antalahy. 18 kilometatra miala an’Antalaha no misy an’ity tanana ity. Fiara tsy mataho-dàlana miisa 30 no voalazan’ny loharanom-baovao hafa fa nitatitra ireo hazo saro-bidy ireo ho eny amoron-dranomasina, mialoha ny hanondranana azy tamin’ireo sambokely miisa 5. Ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny DST avy aty amin’ny fiadidiana ny tetezamita no nanao ny hetsika nahatratrarana an’ity trafika goavana dia goavana ity. Voalaza fa mahatratra 300 ny olona mety ho voaroiroy amin’izany. Miisa 5 kosa ireo voasambotra nandritra ny hetsika ary efa anaovana fanadihadiana hatramin’ny omaly. Fantatra ihany koa fa sambo lehibe mihantsona any afovoan-dranomasina tsy lavitra ny morontsiraka Antalaha no nokasaina hanondranana an’ireto andramena ireto. Mbola tsy tratra anefa izany sambo izany hatramin’izao. Marihina fa omaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina no nahasamborana ireo olona 5 voaroiroy amin’ity raharaha ity.
Goavana dia goavana arak’izany ity raharaha ity ary misy mihintsy ny milaza fa tompon’andrikim-panjakana ambony amin’izao tetezamita izao no ao ambadika. Miandry izay ho tohin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fanasaziana araka ny lalàna ireo izay meloka kosa ny mpanara-baovao tsy an-kanavaka. Tsara ny mampatsiahy fa mbola maro ny raharahana andramena no mbola tsy nahitam-bokany teo anatrehan’ny fitsarana mandrak’izao, indrindra ireo raharaha nahavoatonontonona ny anaran’ireo mpanam-bola sy manam-pahefana miara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...