Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mampitandrina an-dRajoelina i Pety Rakotoniaina

21/02/2013

Tsy marina ny filazana fa ny fahavitan’ny fifidianana no hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy, raha araka ny fanambarana nataon’i Pety Rakotoniaina, filoha nasionalin’ny antoko Tambatra. Mety hiteraka krizy vaovao indray ny fahavitan’izany fifidianana izany raha tsy ahitana vahaolanan ireo olana fototra mianjady amin’ny firenena. Isan’izany ny fitsinjarana mitanila ny volam-panjakana. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fifanarahana matotra eo amin’ireo rehetra niara-nanao ny tolona nananganana izao tetezamita iza tamin’ny taona 2009. Miatso an-dRajoelina hampihaona ny mpiara-mitolona rehetra, arak’izany ny filohan’ny antoko Tambatra. Raha tsy izany dia nambarany fa mety hisy krizy vaovao indray.

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina, rehefa tsy nanao fanambarana politika nandritra ny volana maromaro. Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nokarakarainy omaly, no nilazany ny heviny manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Voalohany amin’izany ny fiatrehana ny fifidianana. Nambaran’ity filoha mpamorona ny antoko Tambatra ity fa tsy mety izao fomba fanendrena ny kandida avy amin’ny mpomba ny filohan’ny tetezamita izao satria tsy nakana hevitra akory ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanonganana ny fitondrana teo aloha sy ny fananganana izao tetezamita izao. Tsy nisalasala ihany koa i Pety Rakotoniaina nilaza fa mpamahan-dalitra an’i Andry Rajoelina ireo olona manodidina azy ao Ambohitsirohitra ao ka tokony hitandrina izy. Nambarany ihany koa fa tsy nisy nitolona tamin’ny fametrahana ny tetezamita ny ankamaroan’ireo olona ao Ambohitsirotra ireo. Noho izany dia diso ny dilohan’ny tetezamita raha toa ka izy ireo no akany hevitra amin’ny fanendrena izay ho kandidan’ny fitondrana tetezamita. Manoloana izany dia nanao antso avo miantefa amin-dRajoelina ny filohan’ny antokoa Tambatra. Aoka izy (Rajoelina) hamory ireo rehetra izay nandray anjara mivantana tamin’ny fametrahana izao tetezamita izao, araka ny hafatra nalefany.
Nomarihan’i Pety Rakotoniaina fa tsy manohitra ny filatsahan-kofidin’ireo izay efa nitonona izany ny antoko Tambatra. Mbola tsy manan-kevitra ny handrotsaka kandida amin’ny anarany manokana ihany koa ity antoko ity, araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny. Ny zava-dehibe ho azy ireo dia ny fahafahana mametraka fifampifehezana eo amin’ny samy mpomba an’i Andry Rajoelina. Eo ihany koa ny fifammpifehezana eo amin’izy ireo sy izay kandida hifanarahana. Raha toa ka tsy izany anefa no hatao dia nilaza mazava ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’i Fianarantsoa fa hiteraka krizy vaovao ny fahavitan’ny fifidianana, ary hiverina eo amin’ny fitondrana moramora fotsiny ilay teo aloha.
Ankoatry ny fiatrahana ny fifidianana dia isan’ny nokianin’i Pety ihany koa ny fitsinjarana ny volam-panjakana amin’izao fotoana izao. Nambarany fa tsy hita taratra mihintsy ny tena fitsinjaram-pahefana raha izay lafiny ara-bola izay no jerena. Satria ny 5% n’ny teibolam-panjakana ihany hatramin’izao no mba omena ny faritra. Nambarany ary far aha tsy miova izany fomba fiasa izany dia tsy ho tafavoaka amin’izao krizy izao na oviana na oviana ny firenena.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...