Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Dahalo 60 nandroba omby sy nandoro tanana

21/02/2013

Nisehoana halatr’omby indray tany Beadabo, kaominina ambanivohitra Mahabo, distrika Betroka, ny 18 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Omby miisa 200 ka hatramin’ny 300 eo ho eo no norobain’ny jiolahy miisa 60. Tsy vitan’izany fa nampitondrain’izy ireo faisana tanteraka ireo mponina ao an-toerana. Trano 12 no nodoran’izy ireo, ary kilan’ny afo tanteraka, ireo zanak’omby tsy afa-nandeha kosa nofirainy tamin’ny famaky. Nampandre avy hatrany ny zandary tao Betroka ireo mponina, ka ny androtr’io ihany dia nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana manao ny “opération” tarihin’i Jeneraly IAMA Radafy, Komandin’ny farim-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Toliara. Nalefa avy hatrany ny “helicoptère” ka fotoana fohy ihany dia tratra ireo dahalo nefa raha vao nahatazana ilay “helicoptère” dia lasa nitsoaka avokoa. Azo avokoa ireo omby ankoatrin’ny maty novonoin’ny mpangalatra ary tafaverina amin’ny tompony.

Ankoatr’izany dia omby tsy fanta-tompo miisa 96 no saron’ireo zandary manao “opération” any amin’ny Distrika Benenitra ny 18 febroary teo manamorona ny reniranon’i Onilahy ka nogiazana ao amin’ny CR Belamonty . Heverina fa omby halatra napetraky ny dahalo izy ireo satria dia efa voasakan’ny zandary avokoa ireo kizo fandalovan’ny omby halatra rehetra any an-toerana sy ny toerana mampiahiahy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...