Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hiady tombon-tsoa

25/10/2012

Raha ny fandaniana ny tetiandrom-pivorian’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no tokony hatao mandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro atrehana androany eny amin’ny lapam-panjakana eny Anosy dia tsy ho tanteraka indray izany anio. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nolavin’ireo filohana komisiona sy filohana Vondrona parlemantera ao amin’ity andrim-panjakan’ny Tetezamita ity ny hanaovana izany fandaniana ny tetiandrom-pivoriana izany.

Vokatr’izany dia fifanatrehana eo amin’izy ireo sy ny mpikambana ao amin’ny birao maharitr’ity andrim-panjakana ity no hatao eny amin’ny lapan’ny loholona eny Anosy, androany manomboka amin’ny 9 ora maraina. Fifanatrehana izay ahina hafana dia hafana nohon’ny tsy fahafalian’ireo filohana komisiona sy filohana VOndrona Parlemantera manoloana ny fahitan’izy ireo fa misy fitantanana mitanila ao an’ivon’ity andrim-panjakana ity. Ireo parlemantera mpomba ny filoha Rajoelina toa an-dry Naivo Raholidina sy ny Jeneraly Ramakavelo Désiré no tena mampaka-peo momba ity raharaha ity. Nambaran’izy ireo fa mifanalavitra loatra ny tombon-tsoa homena ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Filankevitra avon’ny tetezamita raha oharina amin’ny tombon-tsoa azon’ny filohana komisiona sy ny azon’ireo filohana Vondrona Perlemantera. Arakan y vaovao mandeha eny an’ivon’izany andrim-panjakana izany dia mahatratra 80 tapitrisa Iraimbilanja ny tombontsoa azon’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CST.
Ankoatr’izay dia isan’ny be mpiresaka ihany koa ny tsy fahafalian’ireo mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity manoloana ny fanafihanan’ny ACEM ny fahafahan’izy ireo mitondra famantarana manokana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato ka ahafahany mahazo ny tombontsoa manokana vokatr’izany. Isan’izany tombontsoa izany ny fahafahana mitondra entana kanefa tsy savain’ny tompon’andrikitra ao amin’ny ladoany. Tsy vitsy amin’ireo mpanara-baovao no mahita ity fihetsiky ny mpikambana ao amin’ny CST ity ho toy ny mampiahiahy satria ny tsy fahafahana misava azy ireo eny amin’ny seranam-piaramanidina dia mety hitarika azy ireo hanararaotra hanao fandikan-dalana amin’ny fitondrana zavatra tsy ara-dalana eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny trafika isan-karazany izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao.
Mety hafana arak’izany ny afy hevitra eny an’ivon’ny Filankevitra avon’ny tetezamta amin’ity androany ity. Ady hevitra izay hampifanandrina ireo samy nanohana ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fametrahana izao fitondrana izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...