Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ho sarotra ny fanarenana

25/02/2013

Loza marososona no nahazo ny faritra atsimon’ny Nosy. Ny farany teo dia ny takaitra izay napetraky ny rivodoza “Haruna” izay nandripaka tokoa tamin’izany faritra izany. Iaraha-mahalala anefa fa faritra niharan’ny andiam-balala ihany koa izany faritra izany. Izany hoe maro ny voly potika vokatr’izany andiam-balala izany. Ankoatr’izay dia voa mafy noho ny asan-dahalo ihany koa ny faritra atsimo: betsaka ny rava fananana sy may trano vokatr’izany. Tsy ho mora arak’izany ny hamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina any amin’izany faritra izany.

Namela takaitra mavesatra dia mavesatra tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy ny fandalovan’ilay rivodoza “Haruna”. Olona am-polony no maty vokatr’izany ary an-drivony maro koa ireo tra-boina sy tsy manan-kialofana hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Miisa 6 kosa ny maty vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza “Haruna” tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy ka 2 no maty tany Morombe, 1 tany Betioky atsimo ary 3 tany ToloaraI, rah any vaovao ôfisialy. Fantatra ihany koa fa vaky vokatr’izany ny fefilohan’i Fierena any Toliara. Niteraka fahasimbana trano fonenana sy voly ary fotodrafitrasa maro dia maro izany tao an-tampon-tanan’i Toliary sy ny manodidina izany. Velaran-tany goavana dia goavana any amin’iny faritra iny no takotry ny atsanga vokatry ny fahavakisan’io fefiloha io. Fantatra ihany koa ankoatr’izay fa potika 80% ny tananan’i Morombe.
Ankoatr’iny loza voajanahary iny dia iaraha-mahalala ihany koa fa nitondra faisana tamin’ny fandripahan’ny valala iny faritra atsimon’ny nosy iny. Fambolena tamina velaran-tany maro dia maro no ripaky ny andiam-balala tato anatin’ny volana vitsivitsy araka ny tatitry ny tompon’andrikitra.
Iaraha-mahalala ihany koa fa nirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo tany amin’izany faritra izany izay niteraka fahapotehan’ny fiompian’ireo mponina tamin’ny faritra maro tany an-toerana. Niteraka fahavoazana tamina tanana maro ihany koa izany asan-dahalo izany. Isan’ireo ny doro tanana sy ny vono olona.
Raha atao amin’ny teny tokana dia voa mafy tanteraka amin’izao fotoana izao ny faritra atsimon’ny Nosy. Fahavoazana izay mety hisy fiantraikany amin’ny raharaham-pifidianana izay hatao eto Madagasikara raha tsy misy fandraisana andraikitra haongana dia haingana hanarenana ny fahavoazana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...