Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hihetsika ireo mpivarotra

25/02/2013

Hiroso amin’ny dingana manaraka ny vovonana ivondronan’ireo fikambanan’ny mpivarotra manodidina ny farihin’i Behoririka sy ireo etsy Malacam. Tsy inona izany fa ny fanaovana hetsika mivantana izay hanerena ny fitondram-panjakana mba hijery ny sosialim-bahoaka. Mialoha an’izao hetsika kasain’izy ireo hatao izao dia efa nanome fe-potoana 15 andro ho an’ny fitondram-panjakana ihany ko aizy ireo. Hifamontoana eny Behoririka arak’izany izy ireo androany, ary mety hisy ny firotsahana an-dàlambe.

Ahiana hiafara amin’ny firotsahana an-dàlambe ny hetsika fitakiana izay iraisan’ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina ny ranomaibo eny Behoririka sy ireo mpivarotra etsy Malacam. Araka ny nambaran’izy ireo nandritra ny fihaonana izay nataony tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo dia tsy nasian’ny fitondram-panjakana, indrindra ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo resaka akory ny fe-potoana 15 andro izay nomen’izy ireo mba handraisana fanampahan-kevitra entitra momba ny sosialim-bahoaka. Tapa-kevitra ny hiroso amin’ny dingana manaraka arak’izany izy ireo amin’ity androany ity, ka ny maro tamin’izy ireo dia nilaza fa vonona ny hirotsaka an-dàlambe mihintsy.
Marihina fa tsy ireo mpivarotra ihany no hanatevin-daharana an’ity hetsika ity. Araka ny fantatra dia ireo mponina izay niharan’ny tsindry hazolena vokatr’izao fitondram-panjakana izao dia hifanome tanana amin’izany hetsika izany avokoa. Isan’izany ireo olona very tany noho nykely tsy mba mamindro nataon’ny mpanam-bola. Torak’izany koa rava trano tamin’ny hetsiky ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo. Heverina ho isan’ny mety hanatevin-daharana ny fitakiana ihany koa ireo mpivarotra amoron-dàlana avy amin’ny faritra hefa eto Antananarivo noho ireto farany isan’ny mizaka ny tsy eran’ny aina noho ny afitsoky ny kaomina Antananarivo.
Ho an’ireo mpivarotra etsy Behoririka manokana dia tsiahivina fa tsy ankasitrahan’izy ireo ny fandaminana izay napetraky ny fiadidiana ny tsena eto amin’ny tananan’Antananarivo izay tsy telo andro monja azy ireo ahafahana mivarotra ao anatin’ny herinandro iray. Araka ny nambaran’izy ireo dia midi-trosa vokatr’izany izy ireo.
Fikamabana ampolony maro izy ireo no miksa ny hanatanteraka an’ity hetsika ity. Eny Behoririka no fotoana ifanomezany amin’ity androany ity. Fidinana an-dàlambe miaraka amin’ny sora-baventy no isan’ny fandaharam-potoan’izy ireo.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...