Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Main’ny doro tanety ny andrin-jiro

26/10/2012

Maty nanomboka tamin’ny efatra maraina ka tsy nirehitra raha tsy tamin’ny roa ora tolak’andro ny jiro tany amin’ny tananan’Ambalavao sy ny manodidina azy omaly. Ny famaizain’ny andrin-jiro iray izay isan’ireo mitondra ny tariby izay andehanan’izany herinaratra izany mihazo an’ity tanana ity no anton’izany fahatapahan’ny jiro izany.

May vokatry ny doro tanety nisy tamin’ny faritra iray lalovan’ny tariby io andrin-jiro io araka ny fitateran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana azy. Vokany, nianjera tamin’ny tany avokoa ny tariby ka nahatonga ny fahatapahany. Marihana Jirama any an-toerana no nandray andraikitra haingana tamin’ny fanolona ilay andrin-jiro izay main’ny afo ka nahatonga ny fatapahana.
Mbola ny loharanom-baovao avy any amin’iny faritra iny ihany no manamarika fa tsy sambany akory no nahitana fahatapahan-jiro naharitra ora maro tao Ambalavao. Tato ho ato dia efa saika mahazatra ny mponina any an-toerana ny fisian’izany fatapahan-jiro izany. Tranga izay itovizana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ihany koa. Ho an’Ambalavao manokana dia ny fahafatesan’ny milina mpamokatra herin’aratra iray ao Fianarantsoa no voalaza fa nahatonga izany fatapahan-jiro matetika izany. Tsy ampy zarain’i Fianarantsoa sy Ambalavao, araka ny fanazavana, ny jiro vokarin’ny milina iray hany sisa mandeha any an-toerana. Tsy ampy ihany koa ny vokatra herinanratra vokarin’ny milina ao Namorona nohon’ny tsy fahampian’ny rano amin’izao vanim-potoana izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...