Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mifanenjika ny samy mpianatra

05/03/2013

Nirongatra dia nirongatra ny bagara sy ny fifanafihan’ny samy mpianatra tany Toamasina tato ho ato. Nanombona tamin’iny volana febroary lasa iny dia saika isan’andro no andrenesana na ahitana mpianatra ny mifanafika amin’ny “antsy” sy “sabatra” na “kibay” an-dalam-be. Matetika dia andiana mpianatra no mifanafika ireo namany amin’ny sekoly hafa, izay mandeha andiany vavy sy lahy 20 eo.

Ny tena mahagaga dia ny fahasian’izy ireo mampiasa ny “fitaovam-piadiana” eny an-tanany hamelezana ny namany. Marihina fa tsy mbola nisy aloha ny maty hatreto fa ny maratra kosa no maro.
“Mila mandray andraikitra isika ray aman-dreny fa tsy hanankina amin’ireo mpanabe sy ny mpitandro ny filaminana ary ny sekoly fotsiny, satria raha izao no mitohy sy tsy ahitana vahaolana haingana dia ho loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina ireo zaza sy tanora ireo tsy ho ela. Efa be loatra koa ireo zaza sy tanora mpianatra midoroka rongony noho ny famarotana azy ireny an-tsokosoko eny anivon’ny sekoly” hoy ireo mpintandro ny filaminana ao Toamasina izay nilaza ny heviny manoloana izao tranga mitady hahazo vahana any an-toerana izao. Tsy hilefitra amin’ny zava-misy ireo mpitandro ny filaminana, ka ho avy ny “operation” manokana hanafaizana izay mpihoam-pefy, ka hisy ny sazy henjana tsy maintsy hampiharina amin’izay tratra na ireo mpivarotra na ireo mpianatra mpidoroka.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...