Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

“Very tanteraka ny hasin’ny fanjakana”

08/03/2013

Tamin’ny alalan’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nanambaran’ny Jeneraly misotro ronono, Guy Ratrimoarivony ny heviny manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nokianiny tanteraka tamin’izany ny tsy fifehezan’ny fitondrana HAT ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Very tanteraka noho izany ny hasin’ny fanjakana, hoy ity manamboninahitra ity. Eo anatrehan’izany dia nanoso-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana tany tan-dàlana sy manaja ny zon’olombelona hasolo izao fitondrana izao ny jeneraly Guy Ratrimoarivony.

Tondroin’i Jeneraly Guy Ratrimoarivony ho tsy mahafehy ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao fitondrana tetezamita izao. Ny iray ampahatelon’ny velaran-tany eto Madagasikara, hoy izy, no efa lasa faritra mena noho izay tsy fifehezana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana izay. Antony maro no nentiny nanazavana izany. Voalohany amin’ireo ny tsy fandraisan’andrikitry ny mpitondra sy ireo tompon’andrikim-panjakana isan’ambaratonga eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Eo ihany koa anefa ny tsy fahampian’ny ho enti-manana afahana miatrika izany tsy fandriam-pahalemana izany izay tsy afahan’ny mpitandro filaminana manao ny asany araka ny tokony ho izy. Misy fiantraikany goavana amin’ny maha izy azy ny fanjakana anefa izany tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana izany, araka ny fanamarihan’ity manamboninahitra ambony ity. Nambarany fa ny tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana no mahavery hasina tanteraka ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
Eo anatrehan’izany dia nanambara ihany koa ny jeneraly Ratrimoarivony Guy fa tsy misy afa-tsy ny fametrahana ny fanjakana voafidim-bahoaka (demokratika) sy ny tany tan-dàlana no vahaolana afahana mamerina ny hasin’ny fanjakana eto amintsika. Nomarihiny ihany koa fa antoka iray lehibe amin’ny famerenana ny hasin’ny fanjakana ihany koa ny fametrahana fitondrana manaja ny zon’olombelona sy ny fahalalana fototra.
Ankoatr’y ny lafiny fandriam-pahelemana dia nasian’ny jeneraly Ratrimoarivony resaka ihany koa ny lafiny politika. Nokianiny tanteraka tamin’izany ny filazana fa tsy misy afaka hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara na iray aza amin’ireo mpanao politika milatsaka ho fidina filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Nambarany ihany koa fa tsy mendrika ny vahoaka Malagasy ny toe-draharaham-pirenena iainany amin’izao fotoana izao. Farany dia notsipihiny fa mampalehelo ny mahita fa tsy lasa lavitra teo amin’ny fahalalana ny sasany tamin’ny mpitondra an’i Madagasikara kanefa mila olona manam-pahaizana mahafehy ny lafiny toe-karena maneran-tany ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao.
Tokony hametram-pialàna
Ankoatr’ireo soso-kevitra efa naroson’ity manamboninahitra ity, manoloana ny ambarany fa fahaverezan-kasin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao eto Madagasikara dia tsy isalasalana ny milaza fa mampitodika ny rehetra any amin’ny adidy sy ny andraikitra iantsorohan’ny fitondram-panjakana, araka ny voalazan’ny Làlam-panorenana ihany koa ity sehon-kevitra nataon’i jeneraly Ratrimoarivony Guy ity. Andraikitry ny fitondram-panjakana tokoa ny miantoka ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana izay misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izay tokony tsy handray afa-tsy ny baiko avy aminy. Ny tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana arak’izany dia midika tsy fifehezana ny andrikitra maha fitondram-panjakana ny fitondram-panjakana. Raha atao amin’ny teny hafa dia tsy tokony ho eo amin’izany toerana maha mpitondra fanjakana azy izany intsony izao fitondram-panjakana izao raha toa ka hita mibaribary fa tsy mahafehy intsony ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Arak’izany dia tsy misy afa-tsy ny fametraham-pialàna no mendrika azy ireo. Raha tsy sahy hanao izany izy ireo, noho ny antony maro samihafa, dia adidin’izay manam-pahefana afaka manao izany ny manosika azy ireo hametram-pialàna. Isan’ny azo heverina fa tokony hanao izany ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenena, na dia eo aza ny ahiahy amin’ny mety hananan’izy ireo fasahiana hanao izany sy ny tsy fananany toetra tsy momba ny atsy sy ny aroa amin’ny fiatrehana ny raharaham-pirenena.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...