Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Maro ny tsy hanaiky ny FFM

08/03/2013

Nifanindran(dàlana tamin’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fihanihanan’ireo mpikambana 44 ao amin’ny Filankevitra fampihavanana Malagasy, omaly, ny fanakianana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’ny HMF (Hetsiky ny mpitondra fivavahana) izay nilaza mazava fa tsy hitondra fampihavanana velively eto amin’ny tany sy ny fanjakana io FFM io. Eo anatrehan’zany dia nilaza mazava ny HMF fa tsy hanaiky hampihavanin’io rafitra io izy ireo. Nanainga ny rehetra tsy hankato ny fampihavanana hataon’ny FFM ihany koa ny HMF ary niantso ireto farany tsy hankato afa-tsy ny ezaka fampihavanana ataon’ny FFKM.

« Hita fa mivarina any an-kady ny firenena satria madi-doha tsy azo anarina ny Mpamily. Mampalehelo fa manamaron-tena ary mihevitra ny tenany ho anjely latsaka an-tany mihintsy aza, ka na dia efa mihoraka azan y rehetra fa ambava-loza dia tsy mihaino fa roso ihany ny dia”. Isan’ny nambaran’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana izany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nilazany ny fahitan’izy ireo ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’izany dia nilaza mazava ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny HMF ireo fa “mahatsiaro tena ho diso raha tsy miteny indray momba ny raharaha-mpirenena”. Tsy maintsy miteny izahay hoy ihany izy ireo na hihaino na tsy hihaino ianareo mpitondra fa fadiranovana ny olona ary afaka adidy izahay eo anatrehan’ny mpiray firenena aminay manoloana izay faharavana iniana atao izao. Ny fananganana ny rafitry ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy no tena nokianin’ireto mpitondra fivavahana ireto. Nambaran’izy ireo fa tsy ny fikatsahana ny fitoniana na fihavanana no tena kendrena tamin’ny fametrahana izany andrim-panjakanan’ny tetezamita izany fa ny hanatanteraka ny kajikajy politika fotsiny ihany. Eo anatrehan’izany dia nilaza ny HMF fa tsy hahomby na oviana na oviana io FFM io. Nambarany ihany koa tetsy an-danin’izany fa tsy hankato ny fampihavanana hataon’ny FFM izy ireo na dia anisan’ireo “nampitondrain’izao fitondrana izao faisana (nisy maty, nogadraina,notevatevaina, nenjehina sy rahonana andro aman’alina) aza”. “Tsy hanaiky hampihavanin’ireo olona nanimba ny fihavanana teto ary manainga ireo manam-panahy rehetra tsy hanaiky fampihavanana sy famotsoran-keloka kitoatoa toy io fa hanohana ny ezaka efa imasoan’ny FFKM ary hiara mihevitra fampihavanana sy fifamelana tena izy fa tsy sarintsariny toy izao”, hoy ny hafatr’ireo mpikambana ao amin’ny FFM omaly.

Tsy izy io fifidianana io

Nokianin’ny HMF ihany koa ny fikarakarana ny fifidianana amin’izao fotoana izao. “Aorian’io fifidianana io dia ho krizy vaovao no hisy eto ary hiteraka lonilony. Izahay mihitsy no hitarika ny olona hitsangana sy hijoro fa tsy izy io fifidinana io”, hoy ny fanazavan’ny HMF. Manahy ihany koa ny HMF manoloana ny fisian’ny tafika frantsay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tapitra tamin’ny taona 2008 hoy ny HMF ny cooperation militaire teo amin’ny frantsay sy Malagasy ka taiza no nanaovana izany tamin’ny tetezamita. Inona hoy izy ireo no ataon’ireo miaramila frantsay eto. Manahy izahay ny amin’ny fisian’izy ireo ary anisan’ny tsy hahavanona ny fifidianana izany. Mitaky ny handroahana ireo miaramila Frantsay eto Madagasikara arak’izany ny HMF.

Hetsika amin’ny Sabotsy

hanatenteraka hetsika ara-pivavahana rahampitso asabotsy ny HMF. “Mahatsiaro ho tena diso izahay hoy ny HMF raha tsy mivavaka ho an’ny firenentsika”, hoy ny nambaran’izy ireo. Noho izany dia hotanterahina etsy Antsahamanitra amin’io andro io ary manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina ny fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny firenena. Anisan’ny hampiavaka ny hetsika ankoatra ny fanambarana ny famoahana topimaso momba ny fahamarinana. Marihina fa nitarika ny Ny mpitandrina isany, Randriamorasata Roger, Ramamonjisoa Phillibert, Maurice de dieu no nitarika ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny HMF teny amin’ny La Rotonde omaly.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...