Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

“Potehin’ny mpanam-bola ny zava-boary”

09/03/2013

Naneho ny ahiahin’izy ireo amin’ny fahapotehana miandàlan’ny tontolo iainana eto Madagasikara, vokatry ny fitrandrahana gaboraraka ny harena voajanahary ny fikambanana iraisam-pirenena WWF. Ny tena mampalahelo, hoy izy ireo, dia tsy ahitan’ny Malagasy maro an’isa tombontsoa akory ny fitrandrahana ny tontolo iainana amin’izao fotoana izao. Isan’ny nokianin’ny WWF Madagasikara ny fitrandrahana tsy manaja ny tontolo iainana ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Eo ihany koa ny fisian’ny fanapotehana ny ala voajanahary sy ny biby izay misy manondrana an-tsokosoko any ivelany ihany koa. Eo anatrehan’izany dia niantso ny Malagasy tsy vakivolo ho tonga saina ary hikaroka izay azo atao mba hiadiana amin’ireny fanapotehana ny tontolo iainana ireny ny lehiben’ny WWF eto Madagasikara, Richard Hugs. Nambarany fa anjaran’ny vahoaka Malagasy no mifanome tanana amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hamongorana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harena voajanahary eto amintsika.

Marihana fa nandritra ny lanonana nentina nankalaza ny tsingerin-taona faha 50 nitsanganan’ny fikambanana WWF eto Madagasikara sy ny faha 53 nitsanganan’ny WWF maneran-tany no nanambaran’ny lehiben’ny WWF eto Madagasikara izany. Nisy ihany koa, mazava loatra ny jery todika mikasika ny asan’ity fikambanana ity teto Madagasikara hatrizay nitsanganany izay. Nambaran’izy ireo far aha tsy nanana afa-tsy 233 dolara ny fikambanana tamin’ny fiandohan’ny asany dia efa mahatratra 8 tapitrisa vola Suisse kosa no ampiasainy amin’ny asa fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mahatratra 500 ny isan’ny tetik’asa izay vatsin’ity fikambanana ity vola eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka ny 35 amin’ireo dia tetik’asa lehibe avokoa. Birao miisa 35 manerana ny Nosy iasan’ny WWF amin’izao fotoana izao. Fiarovana ny karazam-biby atao hoe “Aye-aie” (lémurien) izay nahiana ho lany tamingana no niantombohan’ny asan’ny WWF teto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao kosa dia fiarovana ny natiora, fampihenana ny doro tanety ary ny fambolen-kazo no isan’ny imasoan’ny fikambanana. Fantatra ihany koa ankoatr’izany fa mikarakara ny lafiny fampandrosoana ihany koa ny fikambanana amin’izao fotoana izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...