Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mirongatra ihany koa ny any Toamasina

11/03/2013

Nisy trangana fitsaram-bahoaka indray tao Tanambao II any Toamasina ny zoma alina teo. Olona roa lahy izay manodidina ny 40 ka hatramin’ny 45 taona no maty novonoin’ny fokonolona noho izy ireo tratra namaky trano. Marihina fa nifanaiky tamin’ilay trano nisy namaky ny volana febroary lasa teo ihany ny trano novakian’izy ireo. Ity farany izany nahafatesana ramatoa be tamin’ny sabatra sy nandratrana ny zanany vavy sy ny mpanampy azy ireo.

Ankoatr’ity trangana fitsaram-bahoaka ity dia nisy tranga telo no niseho tamin’ity volana marsa ity avokoa, ka ny tranga roa tao Tanambao, ny iray hafa kosa tao Ambolomadinika.
“Midika izany fa tany tsy misy fanjakana ny eto amintsika ary midika ihany koa fa tsy mahatoky ny fahefam-panjakana ny vahoaka. Efa tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana koa ny olona, ka aleo izy ireo mihintsy no manao ny fitsarany amin’ireo fahavalom-pirenena sy fahavalon’ny fiaraha-monina misy azy”. Izay no nambarana mpitsara iray nanazava ny fahitany ireo tranga ireo. Nomarihany anefa fa “ny teny tsy voahevitra momba ny raharahan’ny Remenabila, amin’ny fanomezana rariny ny fitsaram-bahoaka no tanterahan’ny olona ankehitriny, ka tsy misy ny azo atao, hoy ihany izy
Tsiahivina ihany koa fa nilokaloka ary nilaza ny “tsy hiamboho adidy amin’ny famerahana ny filanam-bahoaka izahay mpitandro ny filaminana na sarotra aza ny asa noho ny krizim-piaraha-monina nateraky ny krizy politika”.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...