Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy nahazo vola ny any Manakara

11/03/2013

Tsy toy ireo tranga nisy tany amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy ny momba ny Hôpitaly manara-penitra naorina tany amin’ny renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany. Raha nihazakazahana ny famitana ny asa rehetra tany amin’ny faritra hafa dia mitarozaka ary tsy nandeha araka ny naminavinana azy kosa ny fandrosoan’ny asa any Manakara. Asa na noho ny tsy filatsahan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fifidianana na tsy no anton’izany. Araka ny fantatra dia tsy nahazo ny vola afahany manatanteraka ny asany hatramin’izao ny orin’asa manao izany asa izany any an-toerana.

Vokany: miato tanteraka ny asa amin’izao fotoana izao, ary efa herinandro maromaro no tsy niasan’izany orin’asa izany. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa efa any amin’ny seranan-tsambon’I Toamasina efa hatry ny ela ireo fitaovana natokana hanamboarana izany Hôpitaly manara-penitra any Manakara izany. Noho ny tsy fisian’ny vola eo am-pelatanana anefa dia mbola any Toamasina mandrak’izao izany entana izany.
Tsara ny manamarika fa efa mahatratra 70% n’ny asa no efa vita amin’ny Hôpitaly manara-penitra any Toamasina. Raha araka ny vinavina tamin’ny fanombohan’ny asa dia efa tokony hiroso amin’ny fitokanana izy ireo amin’izao fotoana izao raha nandeha araka ny tokony ho izy ny asa.
Tonga tany an-toerana nijery ifotony ny zava-misy momba izany ny delegasiona notarihan’ny filohan’ny Filankevitra avon’ny tetezamita. Nararaotin’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana izany fahatongavan’ny filohan’ny CST izany nanaovana antso avo tamin’ny filohan’ny tetezamita mba hitadiavana vahaolana amin’izany fikatsoan’ny asa fananganana ny Hôpitaly manara-penitra izany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...