Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy hanolotra kandidà

11/03/2013

Mety tsy hanolotra kandidà amin’ny fifidianana izay hatao eto Madagasikara amin’ity taona ity ny ankolafy Ravalomanana. Araka ny nambaran’ny filoha teo aloha dia tsy hisy kandidà afaka hilatsaka amin’ny anaran’ny antoko sy vondrona tarihany raha tsy efa tonga aty an-tanindrazana ny tenany ary izy no manondro izay ho kandidà. Ankoatr’izany dia nokianin’ny filoha teo aloha ihany koa ny fanankanana an’i Lalao Ravalomanana hody an-tanindrazana hitsabo ny reniny. Nandritra ny hetsika nataon’ny ankolafy Ravalomana tetsy amin’ny Magro Behoririka no nanaovan’ny filoha teo aloha izany fanambarana izany.

Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby tenyamin’ny Magro Behoririka ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tamin’ny Sabotsy teo. Nandritra izany no nanehoan’ny filoha teo aloha ny heviny manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny momba ny firosoana amin’ny fifidianana. Nambarany fa tsy misy afaka mirotsaka ho fidina amin’ny anaran’ny vondrona na antoko izay tarihany ireo mpomba azy raha tsy efa tonga any an-tanindrazana ny tenany. Raha atao amin’ny teny hafa dia nambaran’ny filoha teo aloha tamin’ny alalan’ity fanambarana nataony teny amin’ny Magro ity fa tsy handrotsaka kandidà amin’ny fifidianana ny tenany raha tsy efa tonga eto an-tanindrazana. Raha misy arak’izany ny tsy famelana azy hiverina an-tanindrazana alohan’ny fifidianana dia tsy hanana kandida amin’izany fifidianana izany ny ankolafy izay tarihany. Ho lasa fifidianana tsy handraisan’ny rehetra anjara, arak’izany ny fifidianana izay hatao eto amin’ny firenena. Nambarany ihany koa fa mila fitoniana sy filaminana tanteraka ny vahoaka raha tiana ny hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra.
Mivory ny Troika
Ankoatr’izay dia nidera sy nankasitraka ny faharetana sy ny firaisankina nasehon’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny filoha teo aloha, indrindra manoloana ny fisakanana an’i Lalao Ravalomanana tsy hiverina an-tanindrazana. « Hita, hoy izy, ary tsapako fa miray hina tsara ianareo. Jereo tsara ny fampisehoanareo fitiavana tamin’ny Neny Lalao. Narary Bebe Razay tsy salama izy hatramin’izao. Maika dia maika mihitsy i Neny ho hody kanjo voasakatsakana ary na dia efa tao amin’ny fiaramanidina aza dia tsy afa niala mihitsy. Tsy navelan’ny vahoaka Malagasy hoy ihany izy, fa nitaraina izy ireo ary nilaza fa tsy rariny ary tsy mety amin’ny fomba Malagasy ny fihavanana Malagasy izany”.
Nanamafy ihany koa ny filoha teo aloha fa diso ny fiheverena fa tsy mila ny fanampiana avy amin’ny firenena hafa i Madagasikara. Tsia hoy izy fa diso izany. Ny 85%n’ny fampandehanan-draharaha eto Madagasikara dia avy ivelany avokoa. Farany dia nambarany ihany ko afa mivory ao Pretoria amin’izao fotona izao ny Troika. Noho izany dia mila mahatoky azy ireo isika.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...