Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hanohitra ny fampakarana ny saran-dàlana

27/10/2012

Hifamotoana eny amin’ny kianja mitafin’i Mahamasina amin’ny alatsinainy izao ireo mpanjifa rehetra eto Antananarivo. Ny Tambajotran’ny mpanjifa na ilay fantatra amin’ny hoe “Réseau national des consomateurs” na RNDC no miantso azy ireo amin’izany fivoriana izany. Nambaran’i Rakotorova Rabetsara (Lita) fa ny fametrahana ny fifanarahan’ny samy mpanjifa no tanjona amin’io hetsika io. Efa tsy zakan’ny mpanjifa intsony ny vesatra atao eo an-damosiny amin’izao fotoana izao, hoy ihany ity mpitarika ny RNDC ity ka tsy maintsy mandray andraikitra izy manoloana izany.

Hiainga amin’ny fampahafantarana ny olana misy eo amin’ny fiatrehan’ny mpanjifa ny fiakatry ny vidim-piainana izany fivoriana izany, araka ny fanazavan’i Lita. Isan’izany ny fiakaran’ny saram-pampidirana ny mpianatra an-tsekoly, ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny.
Etsy an-danin’izany dia hampahafantatra ny tsy fahazakan’ny vahoaka izao toe-draharaha izao ihany koa no tanjon’ity fivoriana ity. Porofon’izany ireo hetsika toy izay nitranga teny amin’ny Oniversite farany teo ka nahatonga ireo mpianatra hidina an-dalambe.
Marihana fa raha araka ny filazan’ny filohan’ny RNDC dia efa samy nandefasan’izy ireo fampandrenesana avokoa na ny filohan’ny Tetezamita, n any Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny minisitry ny Fitaterana, ny ATT, ny UCTU, ny filohan’ny CT sy ny filohan’ny CST ary ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo.
Araka ny nambaran’ity mpitarika ny RNDC ity ihany dia tsy tompon’antoka amin’izay mety hitranga vokatr’ity fampakarana ny saram-piterana ity izy ireo satria efa tsy zakan’ny be sy ny maro intsony izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...