Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Efatra tamin’ny 18 sisa namoaka ny vokam-pifidianana

22/03/2013

Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny nahita fa tsy nisy afa-tsy efatra amin’ireo 18 izay mandrafitra ny “comité ad hoc”, nitantana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostrian’i Toamasina no tonga namoaka tamin’ny fomba ôfisialy ny vokampifidianana ireo mpikambana maharitra ao amin’ity rafitra ity, omaly. Midika izany fa mbola mampiahiahy ny mety hankatoavan’ny rehetra izany vokam-pifidianana izany. “Ho an’ny mpandraharaha sy niantoka ny fifidianana no naha teto anay, tsy misy resaka politika mihintsy na betsaka aza no nampiditra izany ho politika teto Toamasina”.

Izay no nambaran-dRajaonah Joseph Mbola, filohan’ny “comite ad’hoc” tao amin’ny CCIT, raha nilaza hamaranana ny asan’ity rafitra ity izy, nandritra ny fanehoana tamin’ny fomba ôfisialy ny vokam-pifidianana ny mpikambana maharitra ao amin’ny CCIT. Nomarihany ihany koa fa “enim-bolana lasa izay dia efa fanenjehana no niainanay teto; teo anefa ny finiavana, ny fifampiresahana, ny fiaraha-miasa, ny fifampihainona ary ny fakana hevitra tamin’ny rehetra, ka tonga amin’izao isika ankehitriny. Tsy natao hahakivy ny olana rehetra niainana teto, fa vaomaika hery sy laro nentinay niasa sy namita ny anjara adidy napetraka taminay”. Na izany aza dia tsy nahasakana ny mpanara-baovao tsy hametram-panontaniana mikasika ny lanjan’ny vokam-pifidianana izay navoaka tamin’ny fomba ôfisialy, omaly, ny fahitana fa tsy nisy afa-tsy 4 tamin’ireo mpikambana 18 tao amin’ny Comité ad hoc no tanga nanatrika izany fanambarana izany. Ankoatr’izay dia nampisalasala ihany koa ny tsy fahamarinan’ny ora nanombohan’ny fanambarana satria raha tamin’ny 10ora ny fotoana nifanomezana dia tsy nanomboka izany raha tsy ora iray taty aoriana, izay namakian’ny tale jeneralin’ny CCI Toamasina ny tatitry ny “comite ad’hoc”.

Tsiahivina fa ny sabotsy 16 marsa lasa teo no natao ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra tao amin’ny antenimieran’ny varotra Toamasina. Toerana 19 tamin’ny 25 no azon’ny vondron’ny mpanondrana lodsia na ny GEL tarihan’i Rafidimanana Narson, nahazo toerana telo avy kosa ny vondron’ny mpisehatra ara-pizahan-tany na ny ORTT tarihan’i Narove Mamy sy ny vondron’ny mpanao taoza-baventy na ny SeBAT tarihan’i Ndalana Thomas.
Marihana fa tsy andinon’ny filohan’ny comité ad hoc ny nanafatra ireo voafidy hitantanana ny CCI Toamasina fa “ilaina ny fifampihainona, ny fifampiresahana, ny fakana hevitra amin’ny hafa, ary ny fiaraha-miasa amin’ny mpiasa ny antenimieran’ny varotra, raha te-hahazoana vokatra tsara”. Ny 03 avrily izao no hanao ny fivoriam-beny voalohany ireo mambra vaovao, izay handrafitra ny birao maharitra ny CCI Toamasina.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...